Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 03 June 2016

KOBAN-DRAVINA Ô

Atao hoe mofo ny sakafo mivaingana namboarina tamin'ny lafarinina.
 
Samy manana ny tiany sy ny anasokajiany azy io. Amin'ny ankapobeny dia lemana ho lasa koba ny lafarinina, vao masahana ho tonga mofo.
 
Ao ny masira, ao ny mamy, ao ny matsatso, ao ny masiaka, ...
 
Ao ny masaka hevoka, ao ny voaendy, ao ny masa-drano, ...
 
Ao ny zara fa misy endrika, arakaraka izay nifanarahan'ny famarana sy ny vilany saba tao, ao ny voaravaka tena tsy foy horavana, ...
 
Toy izany ny fiainana. Izay manan-tsira no mahay mahandro, izay manan-kevitra no manan-tsira, izay ampy torohay (informations) no manan-kevitra, izay tia karokaroka no mahita torohay, izay liam-pivoarana no tia karokaroka, izay manana filamatra (référence) no tia fivoarana.
 
Ka raha manana lafarinina aho, dia safidiko raha hiezaka hanao pièces montées amin'ny génoise aho na tsy hanao afa-tsy koban-dravina zara fa mamy.
 
Toy izay ny adihevitra. Aleo aloha tsy dia hitompo teny fantatra imasom-bahoaka raha tsy ampy hoenti-manana. Sao hiteny lango imason'ny vary na hitafy lamba imason'ny tompony.

09:29 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: créativité, izay manan-tsira | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.