Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 18 March 2019

COSMOS

travaux d'intérêt général madagascar,ministère de la culture et de la communication,troisième samedi,tagna-maro

 

Ireto voninkazo ireto no atao hoe Cosmos. Misy lokony marobe izy : volomboasary, vony, mavokely tanora, mavokely antitra, volomparasy, fotsy. Misy ny panaché. Mahafinaritra tokoa izy rehefa mitangorona, manenika ny saha. Dia mahatsiaro aho.

 

Fahatsiarovako manjavozavo …

 

Taloha, ela be, ny atao hoe paka, dia Antsirabe.

Tsy dia manana hotantaraina aho, raha Antsirabe amin’ny maha-Antsirabe azy, fa ny lalana mankany no nahafinaritra ahy. Raha avy any Antananarivo, dia manomboka eo Ambatolampy ihany no ahatsapako hoe ho any Antsirabe !

 

Matetika aloha, dia manjavona, na manerikerika izay ny toetr’andro. Midobodoboka tsara ny fo kely. Ny tena mba nanamarika ahy : isaka ny tanàna kely amoron-dalana dia nisy fifaninanana « zaridaina » angamba. Manomboka eo amin’ny dimampolo metatra mialohan’ny hidirana ny tanàna eo, hatramin’ny dimampolo metatra aoriana, dia misy voninkazo mamelana mahafinaritra. Ny cosmos no tena betsaka, fa nisy zinnia sy canna ihany koa. Rehefa mandalo ny fiara, dia mivoaka ny mponina, mihofahofa tanana, velon-tsiky fatratra mampidera ny zaridainany, ary hita ho tena jenitra ery, samy mihevitra fa ny azy no tsara indrindra. Ny andaniny roa amin’ny lalam-pirenena manandrify ny isan-tanàna, dia misy toy izay. Somary mandeha miadana ireo fiara izay mandalo, mba hankafy an’ireo voninkazo, sy hankasitraka an’ireo mponina. Tsy nisy tsipy vola tamin’izany, tsy nisy tanty rakitra amin’ny satroka, fa ny ankizy no mitehatehaka. Asa na nisy fifaninanana mihitsy isaka ny vakim-paritra, ka mety hoe mahazo mari-piderana (fa tsy loka) rehefa foara (ilay tena izy).

 

Notantaraina ahy koa, fa taloha, hono, ny trano manamorona ny lalam-bahoaka dia tsy maintsy vita tsara (madio sy milalotra ary miloko), indrindra rehefa akaiky fetim-pirenena. Taloha, hono, dia fidifidiana ny lamba ahahy eny amin’ny talaky maso. Taloha, hono, nisy fifaninanana tokotany sy lava-piringa madio…

 

Koa satria hafokaina ny « taloha », satria efa « mandroso » izao, satria « ny olo-mody no mahatsiaro ny taloha », dia izao no iainana. Mahafinaritra be izao rehefa tsy manana zavatra tsaratsara kokoa hampitahaina aminy. Mety be izao.

 

Koa satria mifanjàna sy tsy mahalala ny adidy aman’andraikiny avy, na ny voakarama na ny tsy voakarama, dia tsy maintsy entanina mba hanao … tana-maro ! Fa natao aiza ny fahatsiarovan-tena ? Dia natao inona ny hetranay ?

 

Raha izaho no Mpanjaka kely amin’ity vohitra kelinay ity, dia hoy aho hoe, andeha isika hanao fifaninanana, na dia tokony handeha ho azy aza izany ho an’ny olombelona àry tsara tsy misy fahasembanana. Samy manao izay maha-mendrika lalandava ny hitsiny, amin’ny fotoana ahafahana manao izany. Dia aza angalarina ny sabotsiko efa tsy ampy ahy !!

 

The comments are closed.