Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 02 November 2018

NY FAHANTRANA SY NY LOTO

Efa « antitra » mihitsy aho vao mahita valiny sy fanazavana amin'ny zavatra maro. Izay nahakasika ny tena moa, ka nitera-pahavoazana, dia sira latsaka an-drano. Fa ny ankapobem-piainana, dia ankehitriny vao manam-potoana handinihana. Ary tsy nahadinika raha tsy nandalovana sy niainana.

 

Rehefa "mahantra" ve tsy maintsy maloto, na voretra. Eny tsy misy hambahamba no valiny, raha vao mitarazoka ny "fahantrana". Tsy mitovy ny maloto sy ny voretra, fa miray volo ihany rehefa ela ny ela !

 

Voazava miaraka amin'izay koa ilay voasoratra hoe "izay tsy manana, na ny kely ananany aza, hoesorina aminy"!

 

Tama-miondan-tsandry ity izaho, ka nony nionda-mololo dia nikoha-davareny. Mba nadio ihany ilay trano nomena hivahinianana teo am-pidirana, fotsy mangatsaka araka ny itiavako azy ny rindrina sy ny lambalamba rehetra.

 

Fa tsy niherina ny herinandro dia niova loko izy ireny. Solitany no anaovana afo. Tsy taza-maso fa misy setroka mainty nameno molaly ny kihon-drindrina rehetra. Nipetaka teny ny tranonkala, nampangain'ny hazavan'ny masoandro maraina. 

 

Tsy afako ara-potoana, satria « tsy hitako ». Mifoha alohan'ny masoandro aho ary matory aoriany, raha ny jiro ampiasaina dia ampy hifankahitana fa tsy mety hanaovan-javatra matotra : fanadiovana, zaitra, soratra, vakiteny. Ny somambisamby eo ihany, fa ny maso koa efa sembana hatrany an-kibon-dreny. Ariana fotsiny ny fotoana tsy ahitana torimaso satria tsy ahavitana na inona na inona. Fatiantoka no anaran'izany.

 

Tsy hitahita akory, dia mainty ny vilany. Mitankovana arina ny fitaovana rehetra, indrindra fa ireo plastika. Tamin'ny voalohany, vitako ihany ny mamerina manadio. Lany ny rano sy ny savony. Lany ny fotoana. Sasatra aho. Fatiantoka daholo izany. 

 

Tokana ilay afom-patana. Andrasana ho vita ny voalohany, vao ataingina ny faharoa, vao alefa ny fahatelo. Tsy azo ialana lavitra, sao may, sao ritra, sao tsy masaka. Dia eo ny tena. Fatiantoka ihany koa iny.

 

Tsy resahana ny tsy fahavaran-tena : mainty ny hoho, madity ny volo, vakivaky ny vodin-tongotra, tsemboka noho ny hazakaza-dava ny tena, izay akanjo hitsin'ny tanana ihany no ijolohana, mifararemotry ny havizanana ny endrika. Raha kiraro no anaovana,  rehefa tsy ho menan'ny tany dia ho lany ila hitongilam-paladia. Mihena ny fatokisan-tena ka mety hahatonga lesoka eo amin'ny fifandresen-dahatra. Fatiantoka mihitsy izany.

 

Raha izany rehetra izany no mitohy sy mitambatra, dia mitsontsorika ny zotran'ny fari-piainana, amin'ny fatrany sy amin'ny lentany.

 

Raha izany no iainana mandavan-taona, dia ho lasa adin-tsaina hiteraka aretina. Ho lasa korontana maha-kizintina. 

 

Raha izany no mitoetra fa tsy mandalo, dia zara raha hisy fiainam-pianakaviana. Mpiara-monina ny mpivady, misahana fiompiana zaza fahanana tsy ho faty, fa tsy beazina ho olom-banona !

 

Dia voavaly ilay fanontaniana hoe rehefa "mahantra" ve tsy maintsy maloto. Eny tompoko. Lany amin'ny zavatra maika kokoa iankinan'ny aina ny hery sy fotoana tokony hidiovana sy hanadiovana. Lany amin’ny zavatra nekena tany ivelany ny tokony hitiavana sy hifankatiavana ao an-tokantrano.

 

Hay ny manisina rehefa tsy an'ny tena ny lelo. 

 

Mba iaino mandritra ny iray volana monja ny fiainana tsizarizary kokoa, hahitanao azy!

00:02 Posted by Rondro H REGNIER | Tags: fahantrana, havoretrana, maloto | Comments (0) |  Facebook | |

1 2 Next