Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 09 February 2018

IT RAINS HARD

Mahazatra antsika ny miventy hafaliana, fitiavana, fanantenana, finoana … Hadinontsika matetika fa ny ranomaso koa ange ka manambara fihetseham-po isan-karazany.
 
Indreto misy eritreritra vitsivitsy momba ny tomany mba tiako hozaraina. Nindramina izy ireto. Ary aza mitomany …
1-Ny ranomaso miafina no tena sarotra fafàna indrindra.
 
2-Vavaka ihany koa ny tomany. Ny ranomaso no mankany amin’Andriamanitra rehefa tsy afaka miteny isika.
 
3-Ny ranomaso no teny manambara an’izay tsy hain’ny fo lazaina.
 
4-Tsy ny tomany irery ihany no andrefesana ny fijaliana. Indraindray koa izany dia ambaran’ny tsiky sandoka ataontsika.
 
5-Mahereza hatrany isaka ny mifoha amin’ny maraina, mahereza kokoa noho ny omaly. Atreho ny tahotra ary fafao ny ranomaso.
 
6-Ny 1% n’ny ranomaso ihany no rano fa ny 99% dia fihetseham-po.
 
7-Tsy misy mahatsikaritra an’izay ranomasonao, tsy misy mahita an’izay alahelonao, tsy misy mahamarika an’izay fahoriam-ponao. Saingy ny hadisoanao kosa dia tazan’ny rehetra.
 
8-Afaka miditra an-tsokosoko anaty ranomasonao aho raha toa ka omenao ahy ny fanalahidin’ny tsikinao.
 
9-Indraindray ny ranomaso dia milaza hafaliana tsy hay ambara, ary ny tsiky dia manambara fijaliana iaretana mangina.
 
10-Fantatrao ve fa ny tomany dia sarobidy kokoa noho ny tsiky ? Satria ny tsiky dia azo atoraka amin’izao rehetra izao. Ny ranomaso kosa dia tsy arotsaka raha tsy ho an’ny olona izay tsy foy isarahana mihitsy satria tsy hay ny hivelona raha tsy eo izy.
 
11-Tsy fahalemena ny mitomany. Raha vao tonga eto an-tany ny olona, dia ny tomany no amantarana fa velona soa aman-tsara izy.
 
 
We used to praise something like joy, love, hope, faith … We often forget that tears also mean many feelings.
 
Those are some quotes about Tears that I wanna share. They’re not mine. And don’t cry …
1-Invisible tears are the hardest to wipe away.
 
2-Tears are prayers too, they travel to God when we can’t speak.
 
3-Tears are words the heart can’t express.
 
4-It’s not always the tears that measure the pain. Sometimes, it’s the smile we fake.
 
5-Wake up stronger than yesterday. Face your fears and wipe your tears.
 
6-A tear is made of 1% water and 99% feelings.
 
7-No one notices your tears, your sadness, your pains, but they all notice your mistakes.
 
8-I can hack your tears but only if you give me the password to your smile.
 
9-Sometimes tears are a sign of unspoken happiness and a smile is a sign of silent pain.
 
10-Do you know that tears are more special than smile ? Why ? Because you can give smile to anyone, but you can only drop your tears for someone whom you can’t live without.
 
11-Crying doesn’t indicate that you’re weak. Since birth, it has always been a sign that you’re alive.
...

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: rain and tears | Comments (0) |  Facebook | | | |