Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 31 December 2018

IL N'Y A RIEN A COMPRENDRE

Miverimberina matetika ny fitenenana hoe « tsy azoko ». Tenenina fotsiny izy io fa tsy mitaky hoe hazavao. Fa dia betsaka ny tranga « tsy azo », izany hoe tsy fantatra hoe nahoana moa no miseho, nahoana no atao na misy manao. Ny tena mahakivy ahy dia rehefa olona mba noheveriko ho tsy tokony hanao azy no manao azy ! Dia izay ilay itenenako ihany koa hoe « aza mihevitra ».

 

Ohatra anankiray tena mampihivingivin-doha ity amboletra hanaovana famoriam-bahoaka. Na iza na iza no hanao azy, dia miova arakaraka ny toerana misy ilay hoe « fifampiresahana ». Azo atao foana ny mifampiresaka. Ka hatao inona ny lalàna raha hifampiresahana daholo izao rehetra izao.

 

Nilaza ilay olona hoe efa ny tompon-trano no mampandroso ka inona no hisakanan’ny olon-kafa.

 

Dia izao àry. Tena mitokana ny tranonay. Ambanivohitra tanteraka. Tsy manelingelina na iza na iza mihitsy izahay na hanao inona eo na hanao inona. « Izaho » no tompon-tanàna, tompon-trano, masi-mandidy amin’ny fananako. Nisy andian-tanora nanomana lanonana kely tao aminay. Hitondra rodoben-java-maneno izy ireo ary koràna mandritra ny alina no nokasainy natao. Ho fifanajana sy fanajana ny tompon’andraikitry ny fokontany, izay efa fanaoko hatramin’izay, tsy nampisy romoromo teo an-tanàna nandritra an’izay taona maro izay, dia nangataka alalana tamin’ny ben’ny fokontany ireo tanora ireo. Nasiako sonia ny taratasy fangatahany fa ekeko ny hampiasana ny tanànako. Fa nandà ny ben’ny fokontany, tsy azo atao, tsy nahazo alalana.

 

Nefa ange dia tanora hanao fety e, zava-maneno no entiny, hirahira no hataony … Izaho tompon-trano aza, tsy sarotiny …

 

Aleo tsy tohizako fa leo sy vizana aho raha ny adihevitra atao eto amin’ity firenena ity. Rehefa inona no maninona. Efa hitako daholo rahateo hoe iza avy no maninona ! Vakiana fotsiny.

 

Fa tsy azoko, tsy mety azoko. Izany koa ve dia tsy azo ?

23:55 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: forcing, négocier la loi, rassemblement, autorisation | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 3 4 5 6 Next