Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 11 May 2018

RADAMA NANJAKA TAPANY, RADAMA I, Fizaràna IV

11 mai 1863
 
Atao hoe nanjaka tapany ny olona rehefa tsy tody amin’ny fetra tokony ho izy eo amin’ny fanapahana.
 
Ny alarobia 23 septembre 1829 tamin’ny 6 ora no teraka tao Imasoandro RAKOTOSEHENONDRADAMA, zanaky Ranavalona I sy Andriamihaja, hovalahy, araka ny tantara. Misy milaza fa manga maso ilay zaza, ka mety ho zana-bazaha. Izao no kabarin-dRanavalona I : « Izao no lazaiko aminareo Ambanilanitra, nangetaheta aho ka sendra rano, nikororo-bary ka sendra rivotra, tonga tiana ka tsara lamba ary naniry zaza ka tera-dahy. Izao no lazaiko aminareo, matokia ry Ambanilanitra fa tera-dahy aho, ka tsy ho faty maso ny 12 Manjaka, ary tsy hitsanga-menatra Andrianampoinimerina sy Ilehidama ».
 
Ampahatsiahivina fa tsy nifampiteraka Radama I sy Ranavalona I, ka Raketaka zanaky Radama I tamin-dRasalimo no anisan’ny nokasaina handimby an-dRadama I. Tsy tian-dRanavalona I sy ny namany izany satria misy ra tanindrana i Ketaka, no zana-drafy rahateo. Koa mba hampandriana ny sain’ny Tanindrana, dia nolazaina tany Antsakalava fa ny zaza (Rakotosehenondradama) dia zanaky Raketaka.
 
Rakotosehenondradama no lasa Radama II nony nanjaka.
 
Ny takarivan’ny alatsinainy 11 mai 1863 dia hoy Rainivoninahitriniony, praiministra : « Tsy ny Menamaso ihany no haringana, fa Radama koa tsy maintsy maty ». Tsy nisy nahateny. Rainisoa irery no nanao hoe « Trarantitra ianao, aza marofy, nahoana re raha apetraka any anindran-tany ka ambenana mafy any. Fa raha « hatao », Andriamanjaka io ka sao hahakizo fara antsika … ». Nisafoaka Rainivoninahitriniony, nanatsoaka sabatra ary nanambana an-dRainisoa sady niteny hoe « ITY KANOSA TAY ! Avelan’ialahy eo io ka tsy hataony ringana avokoa ialahy ! Tsy hitan’ialahy angaha ity teniny sy izato hevitry ny vahoaka ! ». Nandraiki-narary Rainisoa.
 
Tapaka ny hevitra fa anio alina ihany no « hatao », ary salaka landy tamin-dRamiandravola no hanaovana azy tadimody.
 
Ireto no iraka hamono ny Mpanjaka rehefa tonga ny tamin’ny 9h30 alina :
Rainibesa 15 vtra, Ramiandravola 15 vtra, Rainikoto-Rangilobe 15 vtra, samy Tsimiamboholahy ; Rafaralahibevary sy Rainisoandrazana, samy 13 vtra ary samy Tsimiamboholahy, Razafimandimby 13 vtra (Andriamasinavalona), Andriantsivohony 13 vtra (Havan’Andriana), Ramaharo 12 vtra (Tsimahafotsy), sy olona hafa vitsivitsy. Nomena toaka ry zareo ho varimbariny, dia nomena salaka landy hamonoana.
 
Nibosesika niditra tao amin’ny efitra nisy an-dRadama mivady ny mpamono. « Ahoana izao », hoy Radama. « Izao no fitenin’ny Ambanilanitra, hoy ny mpanompo. Tsy mahay ialahy ka hataonay vita anio », sady noraisiny Radama no notarihany. Nifamikitra anefa izy mivady ka saika tsy voasaraka. Nitomany ireo vehivavy tao an-dapa « Mifona re tompokolahy, aza dia mahafaty aina re tompokolahy ». Nitrerona ny lehibe tao ivelany « Vitao haingana fa raha tsy vita dia ny ain’ialahy no manaraka ».
 
Nifandrotehana izy mivady ka voasaraka ihany. Notrotroin-dRazafimandimby Rabodo, nentina nankany Itsarahafatra. Avy eo izy niverina nanampy ny mpamango an-dRadama, namely diamanga ka nahafaka ny nifiny iray. Fa natanjaka be Radama II ary naharo tena elaela mihitsy vao lavony. Notsindrian’izy rehetra ka nataony tadimody tamin’ilay salaka landy. Nataony teo avara-patana nony noheveriny fa maty. 15 lahy no nijanona teo hoe niandry faty.
 
Nahazo aina indray anefa Radama ka niarina sady niteny hoe « Mbola tsy nahafaty olona lahy, ka aza dia vonoina. Avelao lahy mba ho velona, na dia hataonareo mpifafa tokotanin’Antananarivo aza ! ». Nirohotan-dry zareo ka nataony tadimody indray. Razafimandimby aza, nanao zava-mahavoafady taminy, tsy sahin’ny penina soratana. Dia tapitra ny ain-dRadama II. 34 taona izy. Ny nolazain-dRainivoninahitriniony dia hoe maty namono tena Radama noho ny alahelony ny Menamaso !
 
Hatramin’ny 13 mai 1863 dia mbola niampatra tao Antranokambana ny fatin-dRadama II. Vita ny harivan’io ny fasana handevenana azy teny Ilafy, fitoeran’ny « Andriana resy », ka dia nentina iny alina iny tokony ho tamin’ny 10 ora ny razana, halevina. Nampombaina azy ny sabatry Radama I, ny sabatra azy, ny basiny, ny akanjo miaramilany, ny akanjo borozano, ny boky fianarany fony kely ary ny mozika fitsokany. Olona tia nihira Radama II, ary hira tena fihirany rehefa tojo alahelo ilay hoe Mokatejy (My cottage), fikalokalony teny amorom-parihin’i Tsimbazaza, narahan’ny sakaizany tamin’ny valiha … Ny tantara no milaza fa nanana olana ara-pitiavana Rakotosehenondradama fony tovolahy.
 
Mbola nisaona ny vadiny Rabodo, no nakarina ho Mpanjaka tamin’ny ampitso ihany ary nandray anarana Rasoherimanjaka. Rasoherina.
 
Toy izao kosa no niafaran’ireo Manamboninahitra lehibe namono sy nampamono azy :
-Rainivoninahitriniony sy Andriantsitohaina ary Ravahatra dia maty nigadra tany am-pandroahana
-Rainimaharavo dia niongana tamin’ny voninahiny, nobaboin-karena ary voan’ny godro ny tenany rehetra
-Razafimandimby dia nalemy sady jamba ary maty tamim-pijaliana sy nenina
-Rainilaiarivony dia nianjera avy eny ambony seza nipetrahany ka maty irery tany an-tsesitany.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: radama ii décès, mokatejy | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.