Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 12 March 2018

RAMANENJANA, RADAMA II, Fizaràna I

Ny alakamisy 12 mars 1863 no heno voalohany tao Antananarivo ny RAMANENJANA, izay niseho tany Ibetsileo.
 
Tsy faly Ranavalona I satria nampidirin-dRadama II avokoa ny vazaha sy ny kisoa ary ny fivavahana kristiana. Hiala any Ambondrombe mihitsy, hono, Ranavalona I, ka ho tonga ao Antananarivo, mba hananatra an-dRadama II noho izany, ary rehefa tsy laitra anarina, dia hoentiny mankany Ambondrombe ihany koa. Ny matoatoa no mitondra ny entan-dRanavalona I miakatra, ary izay tsy zakany dia entin’ny Ramanenjana. Voalaza fa ireo Ramanenjana ireo dia olona tsindrian-dRanavalona I, irahiny hananatra an-dRadama II, na tsindrian’ny matoatoa ka asainy mitondra entan’Andriana.
 
Ny alakamisy 26 mars 1863 tolakandro àry no tafakatra teo Antananarivo ny Ramanenjana. Maro dia maro izy no tonga ary ny efa teo an-tanàna koa dia betsaka no tratra. Vahoaka marobe no nihoalahoala eran’ny arabe, ny sasany mirebika mandihy miloloha siny feno rano ; ny sasany fadiranovana tsy mahazaka entan’Andriana, kapohin’ny matoatoa.
 
Ny Mompera Finaz, dia nanatrika tsara ny Ramanenjana, ary mitantara. Soritr’aretina izy io. Eo am-piandohana dia marary be ny an-doha, misondrotra ny ra, mihazakazaka sy midoboka toa heno ety ivelany ny fitepon’ny fo. Indraindray mifanintona ny marary, indraindray kosa malemy tsy mahahetsika. Toy ny taitra tampoka izy avy eo, ka tapatapaka be ihany ny fiteniny sy ny fihetsiny. Mandehandeha fahatany toa tsy mahita lalana izy, ary mahita sy miteny ary manatanteraka baikon’olona tsy hitan’ny rehetra. Tampoka eo, dia mirifatra mandositra satria mahita mpanenjika. Misy ny tsy mahay milomano, fa tonga mahay milomano aoka izany rehefa tonga ny aretina. Mahavita zava-mahagaga ny Ramanenjana : mandihy eny an-tafon-trano avo dia avo mikisilasila, mandihy misonenika sady miloloha siny feno nefa tsy mitobaka ny rano, manitsaka tsilon-draiketa nefa tsy maratra. Tsy mahalala tahotra na havizanana izy ireny. Ny zazavavy marefo sy saro-tahotra andavanandro dia mivoaka alina mitsinjaka eny ambony fasan’ny fianakaviany, mandra-maraina. Misy fahalalana mahagaga asehon’ny Ramanenjana. Toy ny hoe, zaza 12 taona, mahavita mamaritra tsara ny toetoetra sy endrikendrik’olona lazainy fa eo anoloany, ary rehefa zohina dia raibe na renibe na mpanompo efa maty 20 na 30 taona lasa …
 
Ny zoma 24 avril dia nalehan’ny Ramanenjana tao amin’ilay Trano Vato filalaovany tao Ambohimitsimbina Radama II. Nolazainy azy ny hafatry Ranavalona I. Natahotra Radama II ka niteny hoe « Lazao an’i Neny fa tsy vitako izany, tsy maharoaka ny vazaha sy ny fivavahana aho fa izy betsaka, izaho irery ». Natahotra be Radama II ka namoaka kabary teny Anjomà, nilaza fa izay mifanena amin’ny Ramanenjana dia tsy maintsy miala satroka aminy. Tsy nahafaly ny manan-kaja teo Antananarivo izany satria ny ankabeazan’ny Ramanenjana dia andevovavy sy olona ambany dia ambany. Marina fa efa tsy faly tamin’ny fivavahana Radama II hatramin’izay niovan-dRasoamieja vadikeliny ho kristiana. Tsy nety niara-betaveta taminy tao Ambohimitsimbina intsony mantsy Rasoamieja, satria dia karazana lalao sy havetavetana tokoa no natao tamin’izany. Andriamanitra irery no ambony noho izaho, hoy Radama II taminy, ianao mivavabava-poana amin’i Jesosy olombelona fotsiny ihany. Dia noraisiny indray ny sampy na dia efa tsy tiany fahavelon-dreniny aza satria halany ny fivavahana mamefy azy amin’ny lalaony.
 
Voalaza fa tsy mba voan’ny Ramanenjana ny kristiana, katolika na protestanta, ary nahagaga ihany koa fa nangina tsy nanao diabe teo Antananarivo intsony ny Ramanenjana nony maty Radama II.

22:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: radama ii, ramanenjana, ambondrombe | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.