Sunday, 28 January 2018
IREO ANARA-NITOLONA
Izay rehetra miakatra amin’ny seza fiketrahana dia tsy maintsy mba manana daty hahatsiarovana azy.
Tsy fantatro intsony izay fandaharam-pianarana any amin’ny fanabeazana fototra, fa tamin’ny fotoana naha-zaza ahy dia tena laniko tsianjery mila ho azoko nofy mihitsy ny karazana anarana (filoham-panjakana nifandimby, ministra, filoha sy mpikambana andrim-panjakana, …). Niditra tamin’ny fanadinana isan-tsokajiny izy ireny ka tsy maintsy hay. Tsy dia niovaova matetika koa ireo olona ary maro no tokony nanao jobily teo amin’ny toerany. Na hitako eny an-dalana aza izy ireny dia fantatro, ary tadidiko fa namaly arahaba daholo tsy mba niavonavona na dia ankizy aza aho! Karazana daty ihany koa izany tsy maintsy natao hay izany, na ny niainana na ny tsy niainana.
Nony vorivory saina kokoa, dia nitohy ihany ny daty malaza.
Efatra no tena tsaroako sy tsapako tsara : 10 août 1991, saika kamboty ray sy reny tamin’izany aho satria dia isan’ireo nafana fo nikasa hitondra miakatra an’ity firenena ity izy mivady lehibe ! Fitaintainana no niandrasana azy, niverina nihosim-potaka avy nitety tanimbary tany atsimondrano tany. Ny aiko efa hatenda, fa ry zareo tena somokotra fatratra nitantara an’izato fandraisany anjara mavitrika tany amin’ny diabe ! Misy anarana maromaro miraikitra amin’izany daty izany.
6 novembre 1995, nipitrapitra fotsiny aho nijery manontolo ny firehetan’Anatirova, mifanatrika tsara aminy avy aty atsinanana, niankina teo amin’ny tilikambon’ny eglizy katolika Masindahy Piera teo Ambohipo, nahatazana hoe indreny fa nirodana tsirairay ireo lapa sy fasana tazako lavitra, notsilovin’ny afo nijoalajoala. Misy anarana vitsivitsy koa mifanindran-dalana amin’iny.
Tsy arako tsara izay niseho tamin’ny 2002 afa-tsy ny hoe maty ny jiro dia niova noho ny hakingana isan-tsokajiny ny voka-pifidianana. Tsy nisy fiantraikany tamin’ny fiainako ny hazalambo sy ny fanapoahana tetezana, henoko tantara sy hitako an-tsary fotsiny. Fa, misy anarana voatonona koa tamin’ireny.
Ny faramparan’ny 2008 sy fiandohan’ny 2009 kosa dia niainako tamin’ny ambongadiny. Toerana firiariavako teto Antananarivo noho ny asa fivelomana ny kianja sasantsasany nisehoan’ny sarimihetsika gidragidra : Antaninarenina sy Ankorondrano indrindra indrindra. Ny sabotsy 24 janvier 2009, niantsena toy ny fanao teny amin’ny Score anatin’ny Zoom Ankorondrano. Nahavantana satria nisy toeram-piasana. Ankoatra ny kojakoja tena nilaina, dia niraraka ivy teo anoloan’ity vata kely nisy boules (kanetibe) amin’ilay karazany tena tsara. Lafo dia lafo, lafo loatra, ka tsy nahavidy afa-tsy iray ! Sady miresaka ihany hoe tsy ho eo intsony izao ireo amin’ny fandraisam-bola manaraka.
Ary marina izany satria ny alatsinainy manaraka an’iny, ilay 26 janvier natao hoe mainty, dia indreny karazan’olona samy mivingitra an’izay zakany, nandroba ny tsena rehetra teo. Azo antoka fa anisan’izany ireo boules notsiriritina. Miramirana sy falifaly, azo sary fa tsy nanahy, mitondra ny tsy an’ny tena. Izay tsy mba naka, na dia ny fitaovana manokana tao amin’ny toeram-piasana aza, no kaondrana. Samy manosika caddies avokoa ny bodo sy ny adala, feno hipokipoka nanesehana ny ilaina sy ny tsy ilaina, ny fantatra sy ny tsy fantatra. Nanamarika ahy ireto andian-tovolahy ankevitr’irony mpandry an-tsena, sahirana mafy miloloha écran plat fampiaraka amin’ny ordinateur. Hoy ny anankiray : « hataon’ialahy inona izany iny, ialahy tsy manana ordi akory ». « Fa angaha tsy télé ity », hoy ilay niloloha. Sshhh, hoy izy, sady natontany tamin’ny tany ilay zavatra lafo vidy.
Nandositra moa no natao, satria nidedaka ny afo manodidina, natahorana ny fipoahana. Olona romotra no miahoaho. Efa eny amin’ny lala-mahitsy mivoaka ny tanàna,atao hoe digues sy bypass, indreny manao valala manjohy, olona maromaro samy manosika chariots feno entana, mivanika fatratra toy ny avy nandray fanomezana krismasy. Tsy tahotra, tsy henatra.
Ary ankehitriny aho mahita fivarotana lasopy mandehandeha, namboarina avy tamin’ireny, mbola eny ny soratra hoe « Score » ! May kila tamin’io andro io ny radio teo Anosy. Tadidiko ny tomanin’ilay mpanao gazety atao hoe #Jeannine_RIVOMALALA !
Mbola nifanao fotoana tamin’ilay teknisiana efa hadiva hisotro ronono tao aho, nangataka taminy dikan’ny horonam-peo an’ireo angano rehetra notontosain’i #Eléonore_RASOLOFOMANANA, sy ny tantara indray miseho nosoratan’i #LALASOA sy tantara iray nosoratako … Veloma daholo izany.
Andro vitsy taorian’io ilay 7 febroary malaza, teny Ambohitsorohitra. Ny ampitso alahady dia niakatra teny, nijery ny niafaran’ny toerana : izahay irery no toy ny sanatria mpaniraka an’ireo niaka-dapa sy mpifanandrina, hisafo hoe nanakory izay. Mitsikitsiky ireo miaramila vitsivitsy. Poti-javatra re izao ! Mbola nisy nahavita nisakafo ve teny sa nisy mpivarotra nifanjevo. Tsy resahana intsony ny ilan-kiraro, ny satroka, ny rovitr’akanjo, … Tsy nisy na tapiana 4’mis aza. Mbola tazana teo ny ran’ilay mpaka sary an-gazetin’ny #RTA …
Tolona, hono. Iza no nandresy an’iza dia nankaiza ilay Madagasikara ? Ireo mpitolona dia samy milokaloka entanin-kafanam-po hoe « na hamoizanay ny ainay aza ». Fa tsy ela akory dia mivondrona anaty fikambanana, mitaky sy miady varotra an-kitsirano ny tambiny sy ny onitry ny fahavoazany ! Fa angaha moa « voa » tokoa ?
Ary angaha tsy hoe « ho an’ny Tanindrazana » indray ??
Misy anarana mitovana ihany koa amin’izany rehetra izany. Asa, any aoriana any, ny anarako re mba hitambatra amin’ny inona ?
Tsy faniriako izany… Ampahatsiahivo ahy ity !!!
00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: lundi noir 2009, radio télévision de madagascar | Comments (0) | Facebook | | |
The comments are closed.