Monday, 20 November 2017
RAHA HO AVY RANKIZY NY TAONA HODIAKO ...
(Itovizako hevitra zato isan-jato izay REHETRA tanisain'i #Vanf ato. Ity koa no solon'ny fampandrenesana ho anareo fianakaviako)
Ny ahy, ny zanako, efa nafarako : rehefa lasana rainareo dia dory sao misy mangalatra ao am-pasana ao ny taolambaloko ka sady ho alahelo no haterezana ary raharaha ho anareo. Maro loatra ny olon-tsy vanona mbola tsy voaheloka ho faty. Ny raiko sy ranjoky efa lasan-ko vovoka, tsy misy ahiana intsony hisavika ny fotaka aminy. Ny fandriana vato sivy ao am-pasana koa efa hipoka : taranaka firifiry, zahao sy tetezo ara-bakiteny amin’ny tetiarana navelako ho anareo.
Tandremo, fa izaho nankahala vangongongongo fahaveloko, aza ampifampikasohana rehefa maty. Dory, dia ataovy izay tianareo hanaovana ny lavenona fa mibahan-toerana loatra ny fasana. Jereo ny tanindrazantsika, zary tokontanim-pasana sisa : izay ho anjaran’ny velona, mitombo isa moramora na dia mahalana miteraka aza noho ny fanabeazana, zara raha mbola misy ijoroan’ny tsirairay.
Ny ahy koa, ny zanako, mbola ho hafarako : raha sanatria ka mba nahavita zavatra ho an’ity firenena ity ny rainareo, lavo ankitsirano ny hevi-panjakana hitondra azy any amin’ny Tranompokonolona na «gymnase» na «palais des sports». Raha tsy maintsy hisy fiandrasam-paty (fa «levée de fonds» mantsy ireny, mety hahavita izay vitany, singan-dandy hahafolo lamba, solon-dambamena hanamaivana ny raharaha tsy vitan-tsetsetra), vitao mihaja any an-tranontsika ihany. Isika rahateo efa zatra tsy mihira talaho, tsy mba ireny mitabataba tsy ahitan’ny manodidina torimaso. Sotroy milamina sy mihaja ny toaka, fa rainareo tsy mba niafy tamin’io, fahavelony. Sady tany tsy fady, no vavam-bahoaka tsy ahoana.
Izany tranompokonolona, «palais des sports», «mausolée», izany, tantely afa-drakotra ka akarina ao daholo izao rehetra izao. Very hasina fa daholobe loatra. Inona tokoa moa no fepetra voafaritra an-tsipirihiny hitondrana an-dranona na ranona ao ? Nahavita inona marina ? Henin-kaja ahoana ?
Ny fombandrazantsika rahateo, Rankizy, tsy mba mifangarongaro tokontanim-pasana amin’olon-tsy fantatra, ka aza mitonantonana hiandry faty an-kalamanjana ho dikadikain’olon-tsy hay ! Famadihana efa tsy fomban-drazantsika rahateo, ka tsy ilaina hanafarana anareo. Ny antsika ny maty, avela handry fehizay : vovoka tsy mahalala hatsiaka, feta tsy hidiran-drivotra. Ny adidy sy andraikitra amin’ny mpiara-belona imasoana fa aza mandany andro amiko tsy hay akory na razana hitahy, satria efa tsy hifoha intsony mandrakizay.
Raha mba sendra manimanina ianareo, fa fepetra tena maha olombelona ny embona sy alahelo (vakio matetika ny «Takelaka notsongaina» navelako ao), ataovy fitsangantsangana ny any ambanivohitra fa tsy ho fanatera-maloton’ny zanaka am-pielezana fotsiny. Teo ry dadabe, teo ry dadaben’i dadabe, teo ry dadaben’i dadaben’i dadabe… Fa olona hita lohalika, kitrokely, faladia ary doria, isika fa tsy lafivalon-kavana fotsiny.
Raha ho avy, Rankizy, ny taona «hodiako» (hody ahoana moa, hody aiza koa), dia izao no mba zavatra ataovinareo ahy.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja
VANF
(araka ny tsipelina nanoratany azy)
00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: fahafatesako, antotohazo, vanf | Comments (0) | Facebook | | |
The comments are closed.