Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 10 November 2017

TALOHA

Mpanabe. Iza no beazina sa inona no halehibeazina.
 
Ity izaho ity, dia vokatry ny asan’olona sy antokon’olona maro : i dada sy i neny, ny fianakaviana, ny sekoly, ny fiangonana, ny fikambanana vitsivitsy, ny mpiara-monina, ny boky aman-gazety, ny radio.
 
Ny tsara sy ny ratsy rehetra mandrafitra ahy dia misy sonian’izany rehetra izany.
 
Taloha.
-amin’ny 7 ora no miditra ny sekoly alahady. Amin’ny 9 ora sy sasany vao miditra ny fiangonana. Aterina eo an-tokotanim-piangonana izahay dia lasa ny lehibe. Tsy misy ahiahy.
 
-nampidirina tamin’ny fikambanana atao hoe skoto izahay, nalefa « irery » nilasy lavitra ny toeram-ponenana, andro maromaro. Tsy nisy tohina. Mbola tovovavy aho, mpiandraikitra skoto, dia nisy ray aman-dreny maromaro nanankina ny zanany tamiko. Tsy nisy nipika.
 
-mbola zaza izahay dia naterina tany amin’ny havanay tany ambanivohitra be, miaraka amin’ny ankizy hafa maromaro, handany ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe. Tsy narary, tsy narikoditra, tsy nisy nahabangana ny entan-kely nampitondrain’i neny, mbola nisy niverina ny vatsy kely nentina. Naratra ihany nazeran’ny bisikileta sy nianjera avy eny ambony paiso, fa tsy dobo an-drano, tsy nisy nanolana. Nifampatoky ny mpihavana.
 
-tany an-tsekoly. Rehefa tsy dia salama izahay, dia omena ny mpampianatra ny fanafody sy ny carnet, dia izy no mampisotro « sirop » rehefa amin’ny lerany. Rehefa tsy ho afaka hitsena anay ry dada amin’ny antoandro, dia miantso an-telefaona any an-tsekoly, mangataka mba hanao demi-pension. Tsy nisy gidragidra. Indray andro aza moa, natory tany izahay satria tena tsy afaka naka anay ny ray aman-dreny noho ny asa aman-draharaha …
Novembre 2017. Tsy mbola nisy efapolo taona izany « taloha » resahako izany. Mahatsiarotsiaro indray Rafotsy …

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: insécurité | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.