Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 20 October 2017

BOZY AU PAYS DES MALVEILLES

Mampiteny irery mihitsy ianareo!

Raha izany fahasahiranako izany no mbola ahitako fotoana anoratana tahiry ho an'ny zanaka amam-para, dia tena efa mampitolagaga mihitsy ianareo! Ianareo rehetra mihitsy, na ny mpitondra na ny entina. Izaho kosa torotoro ato ampovoany ato.

1-Efa hita fa faty olona, ndeha hatao hoe vendrana ny dokotera gasy sy ny ministeran'ny fahasalamana. Fa ny nosy manodidina no efa mandray fepetra mihatakataka amin'ilay Madagasikara. Mbola misy manontany ihany hoe tena misy ve ilay pesta!

2-Sady mimenomenona hoe tsy voafehin'ny mpitondra ilay pesta, nefa ny zanaka asesika tsy andry izay hidirany mianatra hoe rahoviana ihany fa bokan'ny ekolazy izahay! Oadray! Raha marary ange ho voatsabo (angamba) e.

3-Lazaina fa tetiky ny ratsy fanahy handripahana ny gasy io. Tsy misy tia tanindrazana sy tia firenena toy ny gasy. Tsy arakaraka izay anefa fa te hamono tena sy hifamono haingana sy faobe amin'izato fisehoana ho sarotiny fatratra amin'ity kolontsaim-pandevenana! Somokotra daholo miasa saina toy ny olona mivonon-ko faty tsy ho ela ihany koa. Dia fantatry ny "vazaha" izany ka dia io tokoa fa narahany saingy hoe asiana fepetra! Afaka mandray anjara amin'ny fikarakarana ny maty ny fianakaviana, afaka miari-tory miandry faty, afaka mandevina am-pasandrazana, afaka manao famadihana! Fa raha efa nampiseho ny hamafisan-dohany hatrizay moa ireto olona, hisy dikany inona izay fepetra??? Nahoana ny havanay no hofonosina toy ny koba??? Sy ny sisa sy ny sisa.

4-Tsy ampy tsara ny tsaho fa tonga koa ny hoe hamarino tsara ny faty fa halatra taova io.

5-Efa ho bimestre iray ny lasa vao hampiofana ara-pahasalamana hono ny ministeran'ny fampianarana! Indrisy ry kipikipy zato.

6-Etsy andanin'izany dia mitohy ihany ny "endri-pandrosoana". Mitsiritsiry toy ny holatra tratr'erika ny antennes TV paraboliques, roa eo ho eo isan-tokantrano fa tsy isan-trano, efa an-jatony ny radio sy televiziona, telefaona finday sy ordinatera roa eo ho eo isan'olona hatramin'ny zaza miarin-doha, toeram-piaraha-mivavaka isan'efitra, oniversite iray isa-mandingana, resy be ny SFF iray isam-pokontanin'i dadabe Ratsiraka, inona koa ... Dia inona daholo no mba fahalalana azo avy amin'izany rehetra izany fa toa hafahafa ity toetra amam-pihetsika? Manalasala be ihany. Ary ny tena tambanivohitra sy tena tantsaha any aminay tsy manao toa io anefa ...

Hatevina be ity boky iray ity !

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: peste à madagascar | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.