Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 07 October 2017

NY ASAN'ANDRIAMANITRA

Rehefa nandinika tokoa aho,

dia velom-pisaorana an'Andriamanitra noho ny asany eto amin'ny fiainako, dia ireo nampanaoviko azy :

-Escort boy : antsoantsoiko matetika, na taitra aho, na gaga, na matahotra, na te hihomehy

-Agent de sécurité : tsy matoky alika sy gardien sy mpitandro filaminana aho ka izy no asaiko miaro ny aiko sy ny fananako

-Garde rapprochée : izy no asaiko miaraka amiko rehefa tena tsy maintsy handeha irery eny amin'ny toeran-tsarotra aho

-Coursier : izy no ataoko irakiraka hampita amin'olona an'izay tsy sahiko tenenina

-Secrétaire aide-mémoire : izy no asaiko mitadidy an'izay mety ho hadinoko

-Agent de nettoyage : izy no asaiko manadio ny tsy metimety rehetra amin'ny fo amam-panahiko rehefa ilay tezitra iny aho na malahelo

-Pompier : izy no asaiko mamono ny afo natsangako

-Bouc émissaire : izy no anilihako ny tsy fahombiazako rehetra. Hoy aho hoe "izay no sitrapon'Andriamanitra"!

Tsy atao imasony anefa fa tena tsy fantatro izay sitrapony.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.