Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 23 September 2017

PRINTSY RATRIMOARIVONY

Ny alarobia 24 septembre 1879 no natao Mariazy tao amin'ny Fiangonana Anatirova, ny Prince Ratrimoarivony, 21 taona latsaka kely, sy Razafindrahety, 18 taona latsaka roa volana. Andriambelo Mpitandrina no nanao izany.
 
Faly Ramoma (Ranavalona II) satria zanaky Ramahatrarivo anadahiny ny Prince, ary Razafindrahety (ho lasa Ranavalona III) dia taizany tiany dia tiany.
 
Ny alatsinainy 7 mai 1883 dia maty ny Prince Ratrimoarivony, noho ny antony tsy dia nazava loatra. 25 taona latsaka kely izy izay niamboho izay.
 
Tsy dia natanjaka loatra ny fony, nefa ny Gazety "La Dépêche de Madagascar" nivoaka tamin'ny zoma 4 novembre [1888] numéro 460, dia nanamafy fa tsy aretim-po no nahafaty ny Prince Ratrimoarivony.
 
Indray andro, nanao tsy tsaratsara ny Prince, dia nampandre ny Premier Ministre (PM) fa tsy ho afaka ho any Anatirova. Niseho ho nangoraka azy fatratra ny PM ka nasainy nankao amin'ny tranony tao Faravohitra izy hitsabo tena. Dia nifindra tao Ratrimo mivady sy ny mpanompony, ary nanohy ny fihaonana sy ny fikoranana niaraka tamin'ny havany, dia ny Prince Rasoarandrana ary ny Princesses Rapelasinoro sy Rasoamihanta.
 
Notendren'Ingahy (P.M.) hitsabo azy, ny Dr Rakotoamboa izay tonga mitsidika isan'andro ary manao tatitra isan'andro koa any Anatirova. Avy any an-dapa avokoa no miainga ny sakafon'ny marary sy ny fanafody, satria nahay fanafody koa Ingahy, nitsabo ny havan'ny Mpanjaka sy ny Tandapa.
 
Indray andro dia hoy Ratrimo tamin'ireo havany : "asa inona loatra no fanafody omen'ity Rakotoamboa ity ahy fa vao mainka mandreraka ahy". Nanomboka teo dia narian-dry zareo ny sakafo sy fanafody avy any Anatirova.
 
Ny Alatsinainy 7 mai io, mbola nikorana sy nilalao Loto ny Prince, no tonga Rakotoamboa. Nasiany nivadika tao an'efitra daholo ny olona fa izy sy Ratrimo irery no tao. Nony nivoaka ny dokotera dia nirohotra niditra ireo havana ka ny Prince efa miala aina no hitany. Afaka adiny iray dia tapitra ny ainy.
 
Vao maty izy dia notendrena honina tany amorontsiraka atsinanana ny Dr Rakotoamboa ary maty tany, andro vitsy taorian'ny nahafatesan'ny Prince.
 
Ny alatsinainy 14 mai no nentina halevina Ratrimoarivony. Ny alin'ny talata 15 mai tamin'ny 23h no nametrahana azy tao am-pasana tao Ambatomanoina. Noho ny habetsaky ny fombam-pivavahana sy ny fomba nentin-drazana dia ny alarobia 16 mai tamin'ny 2 ora maraina vao nirava ny vahoaka.
 
22 taona Razafindrahety izao maty vady izao. Tsy takona nafenina koa anefa ny fitiavan'ny P.M. azy, izay lehilahy lehibe efa 54 taona !
 
Ny zoma 13 juillet tamin'ny 7 ora maraina, dia maty teo amin'ny faha-54 taonany Ranavalona II.
 
Rehefa hoe nidinika ny amin'ny ho solony, dia Razafindrahety no lany, nandray anarana Ranavalona III, ary Ingahy Rainilaiarivony ihany no Premier Ministre, araka ny hafatr'i neny, hono ...

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: printsy ratrimoarivony, dokotera rakotoamboa | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.