Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 17 September 2017

NY MPILALAO

Afangaron-dry zareo ny Mpanao vakodrazana sy ny Mpanao hiragasy.

Alahady maromaro tamin'ny fahazazako dia nijereko hiragasy sy mpitsoka mozikan'ny governemanta.

Ny hiragasy no hotantaraiko.

Eny Ambatofotsy Gara. Nisy havanay teny, toa ry zareo mihitsy no mpikarakara ary dia miara-mijery hiragasy izahay.

Mpilalao no niantsoana ny tarika mpanao hiragasy. Tarika roa no mifandimby amin'ny tolakandro iray. Tsy fantatro na mifaninana na mba mifampizara sehatra fotsiny. Avy any Behenjy Gara hono ilay anankiray. Olona roapolo mahery, mandeha fiara Super Goélette. Misy tovolahy madinika, vehivavy bevohoka, ... Ao am-badik'io fiara io ihany ry zareo no manova akanjo. Marevaka fatratra mandratra ny maso tsy zatra ny fiaraky ny mena dorehitra sy ny volomparasy antitra. Ny an'ny lehilahy dia zaitra malabary, pataloha lava, lamba be mila ho toy ny drap, afehy eo am-balahana ary mandray anjara amin'ny sora-dihy, satroka tsihy. Ny vehivavy kosa dia akanjo lava midoroboka, lamba somary kelikely. Indraindray izy mitondra elo. Tsy misy mikiraro ry zareo. Tsapa ny fifampifehezana fa itoviana tsy misy maningana ny zava-drehetra.

Maka toerana ny Mpilalao. Manao faribolana lehibe izy rehetra, mitodika aty ivelany, vehivavy iray eo anoloan'ny lehilahy iray. Iray metatra sy sasany eo ho eo no elanelan'ny couples roa. Somary maka sisiny kosa ny mpiangaly zavamaneno : amponga, sodina, angorodao, lokanga, ary "mozika".

Ny mpijery kosa manao faribolana ivelan'izay, zara raha misy iray metatra mila hifanoroka ny elanelana amin'ny Mpilalao. Mijajirika eo amin'ny masoandro be daholo, tsy misy gradins na kianja mitafo. Eny amin'ny sisiny kosa ny mpivarotra tsakotsako : fary, koba ilay tetehina, voanjo amin'ny akorany. Taty aoriandriana vao nisy klarinety sy gilasy atosika amin'ny kalesy kely misy soratra hoe patrakala.

Izahay ankizy dia miboretaka amin'ny tany. Ireo namako mitondra ny vatokely ilalaovany tsobato (osselets). Izaho kosa midanàka mijery sy mihaino ity hiragasy!

Nanamarika ahy ny hantsy be atao amin'ilay kabary. Vava izany. Nahavariana ahy ny fivelezana ilay amponga mampiteniteny an' ireo hazokely. Nampangorintsina ahy ny toreon'ny lokanga. Nahafinaritra ahy ny fahaizan'ireo zazalahy madinika mitsinjaka. Ry zareo no tena notsipazako ny vola efa ampitondrain'i neny ahy. Manandra-peo igagana aho eo amin'ny hira haiko, dia ireo ao anaty boky fihirana protestanta.

Fa ny tena nampitolagaga ahy dia ireo vehivavy. Misy bevohoka ry zareo. Misy antitrantitra. Dia misy tanora kely. Ataony tsara erÿ ity asany! Mifantoka mafy tokoa nefa dia eo akaiky be eo ireto mpijery. Variana aho. Raha izaho ireny, tsy misy raharaha vanona! Mainty ngaly manjelatry ny hatsembohana ny endriny. Miramirana izy fa tsy mivanitika. Natao frisé ity volo mifotetaka brillantine coco. Mitavona lokomena ny molotra mitsiky mampiseho nify volamena vitsivitsy ... Avo ny feo ary kanto ny lantsin-tanana.

Hitako tao am-badiky ny Sperigôlety fa lokomena iray efa sokirina amin'ny ankihikely no nihosoran'ny besinimaro. Nangatahako tamin'i neny ireo lokomenany efa fohifohy mba homeko an'ilay zazavavy mpihira. Saingy iny kay no farany nijerenay hiragasy ...

Tsy tiako intsony ny Mpilalao rehefa nanomboka nanao kiraro tenisy ka nisatroka bob sy kasikety.

14:34 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: mpilalao, mpihira gasy | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.