Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 12 September 2017

PESTE PULMONAIRE

Hanefa adidy indray.

Tsy misy aretina tsara, fa ny pesta dia loza. Tsy nalevina am-pasan-drazana izay matin'ny pesta ary maro ny vohitra ravan'ny pesta tamin'ny andro fahiny.

Aretim-boalavo manjo ny olombelona ny pesta. Anisan'ireo aretina azo avy amin'ny havoretrana ary i Madagasikara dia mbola ahitana azy mandraka androany na dia efa tokony ho levona toy ny nendra aza izany. Voretra tsinona.

Ny peste bubonique dia ilay mamely ny atodin-tariana (?) (ganglions). Ratsy io. Fa loza be noho io ny peste mamely ny havokavoka (peste pulmonaire) izay mora mifindra tokoa, entin'ny rivotra. Fofon'aina, piti-drora dia mamindra ary mahafaty haingana.

Dia "hiaro tena" amin'ny avonavona mampalaza ahy aho. Fa inona mihitsy moa no hevitr'ity fifanorokorohana atao isaka ny mifanena ity? I Jodasy koa mahay. Tsy maintsy mifandray tanana ve rehefa hoe mifampiarahaba? Mamindra aretina ireny tompoko.

Ny Pesta pulmonaire dia miseho amin'ny kohaka, fiakaran'ny hafanana, rehoka mety misy ra, hasemporana. Aoka hanatona tobim-pahasalamana raha misy mampiahiahy.

18:17 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: peste pulmonaire | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.