Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 01 September 2017

MISAFIDY NY HANGINA

Misafidy aho mba hanaja,
Mba hangina aloha androany
Raha mahita anao tomany.
Sady izay,
Tsy misy koa
Na holoarako ny fo,
Teny mety mahalaza
Na voambolana sahaza izany alahelo izany ...
 
Hetraketraka ny tsiky
Raha heverina hampitony
Ka tsy hamohafoha intsony
Irony ratram-po mikiky.
 
Hetraketraka ny teny
Idradrana "mitonia",
Tonga latsa sanatria
Ny habetsak'izy ireny ...
 
Hetraketraka ny kiry
Anerena anao "hahery"
Na dia hita f'efa very
Izay mba kely voatahiry.
 
Hetraketraka ny hira,
Ny mozika fihainontsika
Na halefa moramora
Mbola toy ny manakora!
 
Hetraketraka ny hoe
Mba minoa sy mivavaha
Matokia f'aza manahy
Nefa ity manjo, endrey ...
 
Aleo mangina ihany aloha
Mihaino bitsiky ny fo.

00:04 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: mangina, manaja | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.