Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 15 August 2017

AMBOHIPONIMERINA

Vohitry ny fon'Andrianampoinimerina.

Ara-tantara dia teny amin'ny tendro atsimon'ny tanàna no nanorenan'ny mpanjaka Andrianampoinimerina "Rova". Nomeny anarana hoe "Ambohiponimerina" io faritra io tamin'ny fotoan'androny. Taty aoriana dia novainy hoe "Ambohipo" satria toerana nahatamana azy tokoa ary nolazainy hoe "tena vohitry ny fo". Tao no niamboho ny mpanjaka Andrianampoinimerina tamin'ny taona 1810.

Nanorina trano nanodidina ny Rova ny olona fahizany ary dia nomena anarana hoe Ambohipo tanàna io faritra io ary mbola mitoetra mandraka androany izany anarana izany.

Tao koa no nanorenana ny trano voalohany ho an'ny protestanta tamin'ny taona 1863. Rehefa tonga anefa ireo mpanjana-tany dia nalain'ireo vazaha ny tanàna satria hitan'izy ireo fa toerana mahafinaritra, ka nataony lova tsy mifindra. Izany Mademoiselle Le Rouge izany no lasa tompon'ny Rova ankehitriny ary Monsieur Féréol no tompon'ilay fiangonana.

Clarisse RAZAFY

in La Gazette.dgi, 5 desambra 2007, tak.8

 

 

 

 

17:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: ambohipo | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.