Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 04 August 2017

BON VOYAGE

*** Publication nataoko tany ho any izy ity. Dia nisy nangataka hoe mba zarao amin'ny groupe-ntsika. Indrisy fa misy sivana angamba ao amin'ity groupe. Ka aleo ataoko eto amin'ity sehatra "kely" ity ho an'izay "vitsivitsy" mpiaraka amiko eto. Dia inty izany ilay izy r'ise fa dia soava dia.

HAFATRAFATRA SY FAMPAHATSIAHIVANA HO AN'IZAY MANDEHA. ANKOATRA NY EFA HAIN'NY BESINIMARO

1-Atao misy mahalala hoe IZA avy ary FIRY marina no mandeha amin'ny FIARA inona. Asiana lisitra mazava, anarana, lahy/vavy, taona, contacts raha misy manjo. Isaina ho "olona" daholo hatramin'ny zaza menavava. Tsy tokony hiovaova fiara sy hifanakalokalo toerana. Tsy tokony hampiditra olona hafa tsy ao anaty liste.

2-Ny zaza afaka mipetraka dia aoka haka toerana iray fa aza dia matin'ny sitrany ahay.

3-Mipetraka tsara ao anaty fiara. MAHITSY manaraka ny seza ny lamosina sy ny tongotra. Tsy mitodika any aoriana (ohatra hoe manao jeux ikambanana ao anaty fiara, eny am-pandehanana) na mandehandeha eny amin'ny couloir. Tsy mikoropadropaka raha sendra misy hatairana fa mipetraka tsara mamikitra amin'ny seza. Miaro kokoa amin'ny ratra be izany raha sanatria misy loza.

4-Raha azo atao dia TSY MATORY mandritra ny dia, na mandeha alina aza. Sady fanampiana ny chauffeur (s) ihany koa izany, no miaro kokoa ny aina raha sanatria misy loza.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: voyager tranquille | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.