Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 10 July 2017

ROMOTRA

Soa ihany fa fahafinaretako ilay manoratra tantara ka tsy mandaitra amiko ilay hoe ho vizana eo ianao!

Fa ity JL ity, raha izay mba fanorotoroana nomena azy izay ...

Izy efa tsy tia siansa rahateo, asa raha empiriste, tsy hay na vontom-pinoana ihany koa. Fa aleo hofintiniko hoe miankina amin'ny capital génétique mihitsy ilay toe-draharaha.

Vao tsy ampy iray volana. Maty i Paulin, iray vakim-paritra aminay. I JL moa, mpanao gazety latsaka kely : "tsy narary tsy nari-koditra ange hono e. Narary an-doha kely fotsiny dia nalemilemy dia nanary aina! Fa ilay alikany no tena nampalahelo. Tena misy "fo" ireny biby ireny ry madama a! Taloha kelin'ny nahafaty an-dRaPaulin ange hono ka noleladelafiny ny ranjony e. Izao ilay alika, manjombona endrika mihitsy malahelo azy, zatra misangy aminy sy entiny mitsangantsangana ...".

Voalevina roa andro i Paulin. Nihazakazaka hanambara vaovao i JL : "tena voan'ny aretim-po ilay alikan-dRaPaulin ry madama! Maty koa ange hono e!".

Voasarika ny sain'ny mpahalala. Natao ny fanadihadiana. Voamarina fa voan'ny haromotana (rage) ilay alika ary ny rorany nilelaka fery tamin'ny ranjon'i Paulin no namindra. Matin'ny haromotana i Paulin!

Fa tsy mino ary tsy te hino an'izany i JL. Araka ny heviny, ny hoe "romotra" dia mitrifana. Nohazavaina taminy fa misy haromotana miseho amin'ny endrika "malahelo" (mélancolique).

Tsy ampy iray volana izay.

Omaly, nopotehin'i Blacky ny viliany. Fa naninona hoy aho. Sao mba romotra io fa aza manatonatona eo aloha. Dia nivanitika nampiseho ny hihiny mena dia mena misy faka-nify roa mavomavo miseho i JL sady niteny hoe "alika hendry tsara io ve ry madama dia ho romotra"!

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: rage, haromotana | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.