Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 15 June 2017

DISTRIKA ANTANANARIVO AVARADRANO SABOTSY NAMEHANA



Tsy mazava amiko aloha hoe inona koa ilay birao hoe Distrika Avaradrano eny amin'ny Boulevard de Tokyo, atao hoe By-Pass, ataony hoe Alasora, izay tsy dia ekeko ho Alasora ... Resaka hafa iny.

Fa mba hankasitraka an'ilay eo Sabotsy Namehana aho androany.

Mba hafa samy biraom-panjakana. Mba hafa samy mpiasam-panjakana.

Ankoatra ny fahamarinam-potoana, dia feno fanajana olona tokoa, tsy mifidy na iza na iza. Tsy mba manasaro-javatra fa dia mora ifanarahana sy ifampiraharahana. Tsy kolikoly na fihoaram-pefy no resaka fa fifampitsimbinan'ny samy olombelona.

Avy lavitra be aho no tonga eto hikarakara taratasy. Fandrotrarana an-tanàna haolo ka mandimby ray tsy satry.

Novingitiko avokoa izay rehetra heveriko hanaporofoana sy hanamarinana ny anton-diako. Fa nisy hadinoko ihany, ary betsaka. Tsy fantatry ny tao amin'ilay birao izay olana ahy samirery any.

Fa tsy nampaninona an'Andriamatoa Officier Public no nanambatambatra an'izay nilainy hanamarinany an'izay tiany nohamarinina. Ny photocopies rehetra dia izy ihany no nampitovy azy tamin'ny Original. Fa tsy izay tokoa ve moa no atao hoe certification?

Aiza izany raha tany an-kafa? Angamba dia filam-baniny tsy roa aman-tany.

Ankoatra izay, tsy sarotiny mihitsy ry zareo fa nanaiky mba ho samy tonga araka ny fahafahany ny olona rehetra nilaina.

Nanaiky izy fa haloako amin'izay fomba mety amiko ny sara nolazainy ...

Naka numero telephone ry zareo, dia tsy misalasala miantso ahy amin'ny andro alina mampandre ny fiovam-potoana sy ny zavatra hafa tokony hiomanako. Mba tsy hivezivezeko.

Mora tohina amin'ny endrika fiheverana ny hafa toy izany aho, ka velom-pankasitrahana.

15 février 2017 izay andro izay.

Mahafantatra ny tenany ny olona voakasika.

Mankatelina tompoko!

 

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: distrika avaradrano, sabotsy namehana, manjakafitia | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.