Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 13 June 2017

MANGINA IHANY

Mba tena ela ihany izay niainana izay ...
 
Ny resaka tiana hirindra no ifamaliana,
 
Ny fihavanana tiana hitohy no ifandaharana,
 
Ny korontana tiana halamina no tsikerakeraina.
 
Koa nahoana moa no nisy hirika nampisahotaka an'ilay resaka, nandindona loza an'ilay fihavanana, nampikorontana ny efa nilamina? Niniana natao matoa tonga teo.
 
Tsaroako lalandava fa tsy misy mihitsy fery ho sitrana tanteraka. Ny holatry ny hoditra, mety ho afaky ny taona. Ny tazan'ny maso ihany no mety ho voafehiko. Ny ankoatra izay, enti-maty. Dia anjarako ny miaro tena.
 
Izany hoe mihataka, dia mangina.

18:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.