Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 02 June 2017

HAFAHAFA

Efa fantatrareo i Jean-Louis (JL) mpanampy anay. Marenina izy ka rehefa iresahana dia ohatra ny mijerijery be sy manatona akaiky izay.
 
Asa na noho izy tsy ampy karazan-javatra hotantaraina na mba te hiavaka amin'ireo mpiray dinidinika aminy, fa henoko hoe izaho anisan'ny ataony anton-dresaka mahafinaritra azy.
 
Misy hazo kesika tokana izay eny am-pita avaratry ny tanàna. Hafahafa faniry izy io fa misy toy ny lahin-taretra mitsoropaka avo be mivoaka avy ao ampovoany ao. Manaloka sy mandondona be ilay hazo ka manaitra ahy foana raha voajery tampoka, toy ny olona goavana mijaridina mibanjina ahy. Nasaiko nokapain'i JL ilay rantsana maningana. Izy moa tsy maintsy manontany hoe fa maninona. Mba kapao kely io fa manaitra hoy aho. Ary dia nohazavaiko azy tokoa hoe manaitra amin'ny ahoana. Dia hoy izy amin'ireo "namany" eo an-tanàna rehefa miresadresaka takariva : "tena hafahafa mihitsy ilay madamanay ao fa matahotra hazo".
 
Vao haingana. Nisefosefo avy any izy hoe voafiran'ny antsim-bilona ny tanany fa sendra manditra "be" tao anaty bozaka. Toy ny haben'ny tahon-kifafa io bibilava lazainy fa tena lehibe io.

-Dia lasa aiza ilay izy, hoy aho, nivanitika
-Nnnnnnotombohako ny angaaaady! Hoy izy nipitrapitra.
 
Hitako fa nivarahontsana ka vao mainka nantsafaiko :
-Fa maninona no novonoina? Ireny no tompon-tanàna ange ...
 
Nisokatra be najeriny ahy ny mason'i JL. Nihemotra moramora izy sady tena feno tahotra. Nikakakaka mafy aho. Izy aloha dia tsy mahay vazivazy mihitsy, fa na izany aza. Dia hoy indray ny resany : "hafahafa ho'aho ilay madamanay io. Matahotra hazo fa tsy matahotra bibilava. Hafahafa mihitsy io".
 
Dia nahita indray aho hoe mampitony kokoa ny fanaintainana noho ny paracétamol ny labiera.
 
Ka na marary be ny lohako, tena tsy haniraka an'i JL hividy labiera kosa aho. Asa angamba dia halaza eran'ny distrikta hoe midoroka be ilay madamanay io ka izany no mahatonga azy tsy hatahotra manditra nefa matahotra hazo maniry ...
 
"Hafahafa", j'admets mais dans une certaine mesure et dans un contexte très particulier !
 
Ka mampilamina ahy ilay izaho "hafahafa" satria fiarovana ho ahy ...

22:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.