Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 04 May 2017

OHATRA NY TANY TSY MISY OLONA ATY E...

Nandeha nanatrika fandevenana tany amin’ny faritr’i Vonizongo izahay. Sahabo ho eny amin’ny kilaometatra faha-80 amin’ny lalam-pirenena fahaefatra no mivily. Manomboka eo dia lalan-tany no hizorana ary 25 km no hatao amin’izany.
 
Izany no tena hoe « dezaka », « tany tsisy alika », « ankodahoda » fa zara raha misy tanàna, zara raha misy hazo, zara raha misy tanimboly. Ny bozaka maina no vokatra, ary tsy mba nandalo teny ny afo …
 
Fa ny lalana kosa dia tsara. Mahavariana fa sady lehibe no hita fa voakojakoja, vita tsara ny tatatra. Lalan-tany anefa. Ny sarety anankiroa mba sendra anay, dia vita amin’ny fingotra ny kodiarany.
 
Tsy tadidy àry ity misy ny fasan-drazana ka dia nihenjihenjy eran’ny tampon-tanety sy ny tampon-kavoana ireto mpandevina ! Feno misampantsampana ny lalana, fa izay sampany rehetra nandramana kosa, dia tsara avokoa.
 
Dia lasa ny saina : mba lalana mankaiza àry ireny lalana ireny. Iza, ary amin’ny fotoana fahafiry no ikojakojana azy ireny fa tsy misy tanàna ange hoy aho e. Vokatra avy aiza no taomina amin’ireny. Tena deraina izay tompon’andraikitra amin’ireny !
 
Ilay havanay anankiray, etsy amin’ny 10 km miala ny renivohitra, dia miala am-paosy manamboatra izay hodiavin’ny tongony. Tsy main-tany, tsy merika andro fa maha-te hihira hoe « ohatra ny tany tsy misy olona atŷ e ». Rehefa fahavaratra moa dia mampiteny ny moana.
 
Aoka hazava, fa tsy tsara izany hoe « mampiteny ny moana » izany, tsy sanatria hoe « miracle mon ami » ka hanaovana « haleloia ».
 
Bozy Boléta
in Jinjany Kely, Midi Madagasikara (2006)

01:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: antotohazo, vonizongo, jinjany kely | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.