Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 21 April 2017

MIFONA, MIALA TSINY, MIVALO, MILELA-PALADIA

Antony roa ihany :
 
1/-Tsy fidiny. Ka nahoana no hifona. He izany izy hoe tsy fidiny!
 
2/-Niniana natao. Ka nahoana no hifona. Tsy tratra ve ny tanjona!
 
Sa hoe "ny tsiny, maiva-mavesatra". Tsy maninona.

Fa ity. Vaka ihany ny saina.
 
Hoy aho : "Inty anaka ny antsy. Maranitra tsara izy iny. Azonao asaina ihany koa mba handidy misimisy kokoa. Azonao hafohezina sy halavaina ny lelany. Raha te hisangisangy fotsiny ianao, dia ny vohony ihany ampiasaina. Azonao anambanana fotsiny iny raha te handrahona sy hampihorohoro ianao. Antsiko iny, izaho no tompony, fa avelako hanjakanao ..."
 
Dia nataony daholo izay tiany natao tamin'ity antsy.
 
Voatazona ho tompon'andraikitra izaho tompon'antsy sy namela ny antsy hampiasaina.
 
Dia gaga sy tezitra aho hoe inona no idirako amin'izay nampiasana ny antsy.
Dia hoy ny mpiaro ahy hoe ndao koa àry fohazina Andriamanelo nahita ny vy teto Imerina ...
Aleo mihitsy aho hifona fa manahirana ny mifandahatra amin'ny olona tsy mahazo takoritsika!

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.