Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 21 March 2017

SHOW AND BUSINESS

Mody tsy tia nefa manara-maso !
 
Izaho tsy hiteny hoe ny mpanenjika no any aoriana, satria mety ho ny omby roahina sy asesy ihany koa no eo aloha. Izany hoe tsy rehefa ao aoriana dia ratsy. Fa betsaka ny mpialona ahy ! Saingy tohizako ihany ny lalako e.
 
Efa haiko tsara izao ny manamboatra feo rehefa miteny an-kavoriana. Ary ankehitriny vao hitako ny tombontsoa azo tamin’ny fetin-tsekoly fahiny, ilay manao dihy vako-drazana. Nahay chorégraphie vaovao indray manko aho.
 
Hainareo ve ny fomban’ny Mpilalao (mpanao Hira Gasy), ilay somary mihodinkodina kely am-pitoerana fa tsy hetsehina ny tongotra, mitodika miankavia sy miankavanana mitoraka tsiky ho an’ny mpanotrona ? Somary miainga kely ihany koa ny vatana mba hampisy tsindrim-peo kokoa ny kabary na ny hira izay ataoko.
 
Ampahafantariko anareo fa tena mpiangaly Karaoke ikoizana aho.
 
Fa rehefa mandaha-teny hoy aho, dia nahay chorégraphie vaovao aho. Manao lantsin-tanana kely izay, toy ny mamafy ketsa havia havanana.
 
Izay indray izao no seho vaovao ho anareo tsy mahita lohahevitra afa-tsy izahay mianakavy.
 
Mialona ahy ianareo. Izaho ankehitriny, mbola mahazo kilalao betsaka toy ny tomobil kely, ny sambo kely, … Ny saribakoliko moa dia efa maty fosanareo mihitsy !
 
Milaza ho tsy tia ahy ianareo nefa izaho no source d’inspiration anareo ry chroniqueurs, bloggeurs, humoristes, caricaturistes, …
 
Ho tagger-ko tsirairay eto ianareo !
Ndao moa.

09:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: première dame, mananasy, couple présidentiel | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.