Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 19 March 2017

MANAPARASAKA FIAINAM-PIFALIANA

Izany tononkiran'ny Mpanazava izany no amehezako ity sombin-dresaka nifanaovana tamin'ny zanak'Andriamanitra iray ity. Tany anatin’itony fifandefasan-kafatra atao hoe Messenger izy ity, ka tena tsy manara-drafitra mihitsy ...
 
"Ary ety an-tany hoy aho, olombelona fa tsy Andriamanitra en miniature. Izany tsy midika hoe ataovy ny hadalana dia hiala tsiny hoe za ange olombelona e. Tsy mila fahaizana be ny fanaovana ny "mety", tokony ho réflexe normal toy ny miaina (mi-respirer) io raha tena ao anaty. Tsy misy mieritreritra hoe hampiditra rivotra aho zao. Ndraso aloha hamoaka indray! Mandeha ho azy sy voajanahary io afa-tsy ho an'izay efa hanary aina ka sempotra. Simple bon sens izany fa tsy mila doctorat en théologie. Ary izaho tsy resy lahatra fa misy tena mahazo sy maha-décrypter an'izay tena hevitry ny baiboly. Ka tokony samy hitondra tena araka izay manakaiky ny "mendrika" indrindra. Atao explication an'ny "passivité" sy ny "médiocrité" rehetra hoa ny maha-kristiana. Dia au lieu de "hiova", "hivoatra", dia ireharehana ilay "filanjana hazo fijaliana". Mba misy olona tia mijaly an! Faly ery hoe milonjy hazo fijaliana.
 
Izaho tsy mino fa ny olona vonto alahelo sy fahoriana dia ho afaka hizara sy hampamirapiratra fifaliana sy fitiavana. Izay ananana ihany no azo zaraina. Ny fandresena ny fahoriana noho ny fananana an'Andriamanitra no ananana hery sy fifaliana, fa tsy ny fiononana sy fiforetana sy "fikatsahana" fahoriana sy fijaliana mihitsy.
 
Hatao inona Andriamanitra rehefa tsy ahafahana mandresy sy miaina finaritra? Tokony haha-te hanaraka ny kristiana : mba te hanaraka anareo izahay fa HITANAY fa momba anareo tokoa Andriamanitra. Fa raha ianareo aza, lozotra sy mangorera, aleo ihany izahay ho ety. Sady ianareo mahita "fitsarana" hatao anay foana satria au fond koa ianareo, te ho ianareo IRERY koa no tompon'ny lakile".
 
Amin'izao karemy izao, ndao mba hifady fampijalian-tena sy fampijaliana ny hafa ...

17:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: karemy, hifady fampijaliana | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.