Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 15 November 2016

SAMBO-DOKOTRA, SAMBO-BALALA

Faha-repoblika faharoa. Manamboninahitra tantsambo no nitondra. Jiolahin-tsambo hoy ny olona. Nandeha avokoa ny karazan-tsaho : bibiolona, fitazonana olona tao Soarano tao. Natahorana fatratra ny setrasetra isan-tokony : tany amin'ny ministeran'ny atitany tany, nantsoina hoe Patte d'éléphant; tany Ambohibao tany, nisy an'ilay hoe DGID ... Aza mba sendra an'izany, hono, fa mifohafoha volo.

Tamin'izany vanim-potoana izany, nisy jiolahy roa tena nalaza, nifampitadiavana ela dia ela. Nandeha ny siosio fa mpiray tsikombakomba tamin'izy ireo ny tovolahy iray, mpikambana tamin'ny Antoko Mpihira ao amin'ny Fiangonana. Tsy nisy nino ny besinimaro fa mba endrikendrika fotsiny izany.

Nampaka-bady àry, io tovolahy io. Zazavavy tao amin'ny fikambanana ihany no voafidy. Izany hoe, raharaham-piangonana tsy nivoa-pofona ny lanonana rehetra. Nifankahalala avokoa ny mpanotrona, ankoatra an'izay lafin-kavana tena hafa sy ny namana aman-tsakaiza.

Nony teny amin'ny toeram-pikoranana, dia tsy hita niaraka tamin'ny Mpitandrina izy roa kely. Manao séance photos angamba, hoy ny olona!

Vita soa aman-tsara ny lanonana rehefa maty ela ny masoandro. Nirava ny rehetra.

Ny ampitso alahady, araka ny fomban'ny fiangonana, dia natsangana narahabaina izy mivady vaovao, notolorana baiboly sy sertifikà.

Tsy niandry ny tso-drano farany izy ireo, fa nivoaka raha vao vita izay. Nanaraka azy moramora ny ray aman-dreny sy havany vitsivitsy.

Fotoana ela tato aoriana vao fantatra fa tamin'iny razazalahy no namonjy ny fakàna am-bavany azy teny amin'ny Brigade criminelle. Nandritra ilay lanonam-pikoranana ny omaly no efa tonga hisambotra azy ny Polisy, saingy ny Mpitandrina no nanao ny fifampiraharahana.

Voarohirohy ho mpiray dia tamin'ireo jiolahy mpanao heloka be vava voalaza teny aloha tokoa izy. Nigadra teny Tsiafahy izy nony avy eo. Samy nahafantatra ny mpianakavin'ny finoana, fa tsy nisy nanao resa-be.

Toa efa vita, hono, ny saziny fa lasa nifindra monina lavitra an'Antananarivo ry zareo ...

Repoblika faha-efatra. Hafa kely ny fomba amam-panao. Tsy an-kifidy toerana ny fisamborana, na eny am-pandevenana, na sarika am-pandriana, na aiza na aiza, amin'ny fomba rehetra ...

 

18:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: augustin andriamananoro | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.