Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 15 June 2016

NY FRANC-MACONNERIE

Marihana fa ny “franc” eto dia tsy ilay ventim-bola toy ny hoe franc français, franc malgache, franc CFA. Noho izany dia tsy fandahatra amin’ny vola ity fikambanana ity. Tsy misy idirany amin’ny resaka vola, tsy misy idirany amin’ny frantsay ihany koa raha ny niavian’ny anarana.

Franc-maçonnerie tany Eoropa

Tamin’ny fiandohandohan’ny taonjato faha-XVIII no nahaterahan’ny fikambanana miafina atao hoe franc-maçonnerie, tany Angleterre. Ny ankamaroan’ny mpanorina azy dia anglisy nanana kolontsaina protestanta, fa na izany aza dia tsy nivaona tamin’izay foto-kevitra sy soatoavina nijoroany izany fikambanana izany na inona na inona fanavaozana sy fielezany maneran-tany. Ny franc-maçonnerie dia karazana «ordre initiatique» izany hoe fivondronan’olona manana fombafomba sy tarazo miavaka raha handray mpikambana ao aminy. Mifototra amin’ny fanaovan-tsoa, fampihaonana olona tsara sitrapo mikatsaka ny tsara, manana ny ataony hoe «masina» hajainy, izay mihoatra lavitra ny amin’ny fanarahana antokom-pinoana na fivavahana tsotra.

Araka izany dia Anglisy no niavian’ny franc-maçonnerie. Tamin’ny juin 1717 no niforonan’ny «Grande Loge de Londres», izay namondronana loges maçonniques efatra avy tao Londres. Hany tanjon’izy ireo dia ny fifanampian’ny samy mpikambana. Tamin’izany fotoana izany no niantombohan’ny franc-maçonnerie moderne.

Araka ny efa natsidika dia tontolo protestanta no nipoiran’ity fikambanana ity. Avy amin’ny Testamenta taloha ao amin’ny baiboly kristiana no nisintonana ny foto-kevitra ara-moraly. Ny francs-maçons dia mihevitra fa voantso hanorina tempoly idealy, manara-penitra, araka ny modelin’ny tempolin’i Salomon mpanjaka, izay velona tamin’ny taona 1000-597 tany ho any, talohan’i Jesosy Kristy. Manana lanja sy toerana ary dika lehibe eo amin’ny fiainana maçonnique ny mari-trano masina (architecture sacrée). Andriamanitra Mpamorona moa dia antsoin’ny francs-maçons hoe «Le Grand Architecte de l’Univers», ilay Lehibe mpahay marika sy drafi-panorenana an’izao rehetra izao.

Vetivety foana dia nitatra ny fikambanana franc-maçonnerie ka nandray ho anisany an’ireo olo-maventy teo amin’ny fiarahamonina anglisy, izay lehilahy ihany, ary niely patrana eran’ny tanibe eoropeana, nanomboka tamin’i Frantsa.

Tamin’ny taona 1725 no niorina tao Paris ny loge maçonnique frantsay voalohany, ary nanaraka ny tamin’ny tanàn-dehibe maro, izay nihazakazahan’ireo atao hoe élites cultivées, izany hoe ireo olona notsongaina sy niavaka tamin’ny fahaizana, haranitan-tsaina, fananana fahalalana ankapobeny tena mivelatra sy marolafy ary avo lenta. Ny loges dia zary toerana fanaovana fifanakalozana fahalalana, fanaovana adihevitra sy famakafakana filozofika samihafa. Tany Prague, dia natolotr’i Mozart, mpahay mozika kalaza aho an’ny franc-maçonnerie ilay sangan’asany hoe #La_Flûte_Enchantée.

Ny marquis de la Fayette, izay nanana anjara lehibe tamin’ny ady ho an’ny fahaleovan-tena amerikana sy ny revolisiona frantsay dia nitory idées libérales ary tsy niafina mihitsy tamin’ny naha-franc-maçon azy, mandra-pahafatiny tamin’ny taona 1834.

Ny Révolution française dia nahatonga fizarazarana teo amin’ireo maçons frantsay, niankolafy ho monarchistes sy libéraux. Napoléon no nampivondrona ny rehetra fa tsy nisakana azy tsy hampanara-maso ny polisiny izany, ary mba hahafahany mifehy tsara ny toe-draharaha, dia notendreny ho Grand Maître du Grand Orient de France i Joseph rahalahiny tamin’ny 1804.

Tamin’ny vanim-potoan’ny Restauration sy ny Second Empire, dia niova tsikelikely ny endriky ny loges tany Frantsa. Hoy manko ny Constitution du Grand Orient de France hoe ny franc-maçonnerie dia fikambanana liam-pivoarana mifototra indrindra amin’ny filozofia sy ny fitiava-namana, mifaka amin’ny fisian’Andriamanitra Mpamorona sy ny fiheverana fa tsy mety maty ny Fanahy «la franc-maçonnerie est une institution essentiellement philosophique, philanthropique et progressive qui a pour base l’existence de Dieu et l’immortalité de l’âme».

Nanomboka teo dia nandray mpikambana vaovao ho anisany ihany ireo olom-pirenena avy amin’ny sokajin’ny Andriana sy ny avy amin’ny bourgeoisie izay nameno ny franc-maçonnerie teo aloha. Nekena ny mpiasam-panjakana tsotra, ny mpanao asan-tanana sy asam-barotra.

Fa na izany aza, hatramin’ny Ady Lehibe Faharoa, dia mbola hita taratra ihany fa fikambanan’ny olona nanana toerana «ambony» sy notsongoin’olom-bolo teo amin’ny fiarahamonina ny franc-maçonnerie, tsy tafiditry ny mpiasa madinika sy ny olona mafy ady. Mbola tarataratra eo ihany izany ankehitriny any amin’ny loges sasany.

Ny Grand Orient de France no loge frantsay natanjaka indrindra, na tamin’ny isa na tamin’ny influence. Tamin’ny fipoahan’ny atao hoe affaire Dreyfus no niorenan’ny «Ligue des Droits de l’Homme», izay nahitana mpikambana maçons maro dia maro.

Tetsy andaniny, nisy ny natao hoe affaire des fiches tamin’ny taona 1901. Ilay jeneraly franc-maçon natao hoe André, ministre de la Guerre, dia nandray an-tsoratra (ni-ficher) ny anaran’ireo miaramila manamboninahitra katolika rehetra.

Tamin’ny tapany voalohany tamin’ny taonjato faha-XX, dia tena nanahirana ny tsy mpankasitraka ny franc-maçonnerie tokoa ireo raharaha anankiroa ireo. Fahavalo efatra no nolazaina tamin’izany fa rangory fototry ny tsy fahombiazana rehetra teto an-tany, dia ny Repoblika, ny Juifs, ny Communistes ary ny Francs-maçons.

Nandritra ny Occupation (1940-1944), dia voarara ny fijoroan’ny Fikambanana, toy ny tany Allemagne hitlérienne, noho izy nanenika firenena maro indrindra indrindra. Maro ny maçons no nandray anjara mavitrika tamin’ny Résistance. Tamin’ny faramparan’ny taona 1943, dia nofoanan’ny jeneraly de Gaulle tany Alger ny lalàna atao hoe lois antimaçonniques de Vichy. Nanambara izy fa tsy nisy fotoana nahafoana sy nitsaharan’ny franc-maçonnerie mihitsy «la franc-maçonnerie n’avait jamais cessé d’exister».

Franc-maçonnerie eto Madagasikara

Tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-XIX no efa fantatra teto Madagasikara ny maçonnerie. Tamin’ny taona 1996 vao niseho masoandro (consacrée) ny Grande Loge Nationale de Madagascar (GLNM). Nanomboka teo no nivelatra tao an-drenivohitra, Antananarivo, sy eran’ny Faritany ny Fikambanana izay ivondronan’ny olona 400* (mila hamarinina) eo ho eo, mitsinjara amin’ny loges roa ambin’ny folo :

n° 001 La Respectable Loge « HAZAVANA» (Lumière).

Consacrée 6 mars 1996

Rite York

 

n° 002 La Respectable Loge « FAHENDRENA» (Sagesse).

Consacrée 6 mars 1996

Rite Ecossais Ancien et accepté

 

n° 003 La Respectable Loge « TSARATANANA » ( La Montagne Sacrée).

Consacrée 6 mars 1996

Rite Ecossais Ancien et accepté

 

n° 004 La Respectable Loge « VATOFANTSIKA» (Ancre).

Consacrée 22 février 1997

Rite Ecossais Ancien et accepté.

 

n° 005 La Respectable Loge « NY MASINA GRAAL » ( Le Saint Graal).

Rite York

 

n° 006 La Respectable Loge « ST JEAN DE JERUSALEM ».

Consacrée 4 avril 1998

Rite Ecossais Rectifié.

 

n° 007 La Respectable Loge « FRANCE ».

Réveillée et Consacrée  09 octobre 2010.

Rite Français

n° 008 La Respectable Loge « HABAKABAKA MANGA» (La Voute Bleue).

Consacrée  02 mars 2001

Rite Emulation.

 

n° 009 La Respectable Loge « ATSINANANA » (Orient).

Consacrée 03 mars 2007

 Rite Ecossais Ancien et accepté.

 

n° 010 La Respectable Loge «VATOLAHY » (La pierre levée).

Consacrée  16 décembre 2007.

 Rite Emulation.

 

n° 011 La Respectable Loge « TANY MASINA » ( La Terre Sainte).

Rite York.

 

n° 012 La Respectable Loge «NY HAZO MAMELANA »

Consacrée  19 Septembre 2015.

Rite Emulation.

 

Ireo fitsipika 12 toavin’ny Grande Loge Nationale de Madagascar :

1-Ny franc-maçonnerie dia Firahalahiana manaraka tarazo sy fombafomba iavahana (Fraternité Initiatique) manana fiorenana amin’ny finoana an’Andriamanitra, tompon-drafitra nanorina an’izao rehetra izao (Grand Architecte de l’Univers).

2-Ny franc-maçonnerie dia mitodika hatrany maka ho filamatra ireo adidy sy fitsipi-pitondran-tena tranainy tany am-piandohana, niorenan’ny Firahalahiana, izany hoe ny fanajana tsy misy adivarotra sy tsy misy adihevitra an’ireo Fombafomba amam-panao mampiavaka ny Fikambanana.

3-Ny franc-maçonnerie dia Fikambanana tsy mampivondrona afa-tsy ny olona « afaka », tsy voagejam-poto-kevitra, mendri-kaja, izay manaiky sy resy lahatra fa hampanjaka Fandriampahalemana sy Fiadanana, Fitiavana ary Firahalahiana, araka izay tokony ho filamatra (idealy).

4-Ny franc-maçonnerie, araka izany dia mikendry ny hanatsara kokoa hatrany ny toe-tsaina sy fahamendreham-pitondran-tenan’ireo mpikambana ao aminy, sy ny an’ny zanak’olombelona rehetra.

5-Ny franc-maçonnerie dia  mitaky sy manery ny mpikambana rehetra ao aminy, ny fampiharana sy fanajana amin’ny antsipirihany ny Rituels sy ny Symbolisme, lalana hahatongavana ho amin’ny Fahalalana, araka ny fomba sy fahaiza-manao manokana iavahany.

6-Ny franc-maçonnerie dia mitaky sy manery ny mpikambana rehetra ao aminy mba hanaja ny finoana sy faharesen-dahatry ny tsirairay. Tsy azo atao ao anaty Fikambanana ny adihevitra sy fifandaharana mahakasika politika na fivavahana. Araka izany, ny franc-maçonnerie dia ivon-toeran’ny Firahalahiana anjakan’ny fifandeferana, fanekena ny fahasamihafana, ka mahatonga fiaraha-monina mirindra amin’olona samy nanana ny nisy azy teo aloha.

7-Ny francs-maçons dia manonona Fanekena eo amin’ny Volume de la Loi Sacrée (Bokin-dalàna sy fitsipika), mba hananan’ny firotsahana endrika matotra , manana hasina, izay tena ilaina tokoa amin’ny faharetan’ny Fikambanana.

8-Ny francs-maçons dia mivory any amin’ny Loges, izay ahitana lalandava ny Grandes Lumières de l’Ordre, izany hoe ny Volume de la Loi Sacrée, Equerre  ary Compas, mba hiasana araka ny fombafomba (Rite), amin’ny hafanam-po sy zoto, mifanaraka amin’ny fitsipika voatanisa any amin’ny Constitution et le Règlement Général de l’Obédience.

9-Ny francs-maçons dia tsy tokony handray ho isan’ny mpikambana ao aminy afa-tsy olona ampy taona, tsy ratsy laza eo amin’ny tany ama-monina, olona mahalala sy mitandro ny atao hoe haja amam-boninahitra, mahatan-teny sy tsiambaratelo ary tsy tia sehoseho, mendrika ho antsoina hoe « rahalahy » ary manana fari-pahatakarana afaka hahalala ny halehibeazana tsy hay faritana ny herin’Andriamanitra sy ny fetry ny maha-olombelona.

10-Ny francs-maçons dia mikolokolo sy mampanjaka any anatin’ny Loge-ny avy, ny fitiavana ny Tanindrazana, ny fankatoavana ny lalàna manan-kery, ny fanajana ny mpitondra fanjakana misy. Heverin’ny francs-maçons fa ny Asa dia voalohan’andraikitry ny tsirairay, ary hajaina izany na inona na inona endrika isehoany.

11-Ny francs-maçons dia mandray anjara amin’ny fampamirapiratana ny Fikambanana, ao anatin’ny fanajana ihany koa ny tsiambaratelo maçonnique, amin’ny alalan’ny fanehoana hita maso fa mitondra tena tsara, mendrika, ary tena lehilahy.

12-Ny  francs-maçons dia manana adidy hifanampy sy hifanavotra ary hifampiaro, ao anatin’ny fitandroana tanteraka ny haja amam-boninahitra, eny na dia hanaovana sorona ny ain’ny tena aza. Ny francs-maçons dia mampiasa hatrany ny fahaizany mijanona ho tony sy hilamina amin’ny tranga rehetra miseho, izay toetra amam-pihetsika tena ilaina ho amin’ny fifehezan-tena.

 

Ny 24 hatramin’ny 27 mai 2017 no noraisina teto Madagascar ny XVème Conférence Mondiale des Grandes Loges Régulières.

Ny Mpitarika ankehitriny dia ny Grand Maître Hasina RAKOTOBARISON.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.