Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 29 March 2016

ILAY MPIFATOTRA TSY FANTATRA ANARANA

Ny atao hoe datation no tsy dia ahaizako tantara. Diso anefa ny tantara raha mifamadika ny atao hoe contexte. Ka rehefa tsy hay dia tsy atao. Tena zara raha nahatsiaro saina aho no naheno an’ity anankiray ity, saingy tadidiko tsara. Dia indro zaraiko fa mba tsy manome morale koa indraindray !

 

Tao aorian’ny taona 1954 izy ity no niseho, satria nanomboka teo i dadatoa no niasa tao amin’ilay Toby fitaizana kamboty teny Ambodinandohalo. Akanin-jazalahy raha ny marimarina kokoa. Aumônier tao izy, izay Mpitandrina. Efa rava ilay fikambanana tamin’izahay nitsidika teny, tsy tadidiko kosa ilay trano fa tamin’iny tehezana ambany andrefan’ny rovan’Antananarivo iny. Trano gasy tranainy, gorodona hazo manjelatry ny savoka, tohatra sy varavarana hazo midridroka isaka ny voakitika, lavarangana hazo mitezotezo mampatahotra satria mitatao eo ambonin’Itsimihatsaka. Mbola kely aho, nefa dia tsaroako fa tery ihany koa ireo efitrefitra madinika toy ny tranom-boromailala. Isaka ireny efitra ireny, hono, dia nisy tovolahy nonina, lavi-kavana, nandranto fianarana an-drenivohitra. Farafara ho an’olon-tokana, latabatra kely sy seza iray ary talantalana manara-drindrina no hany fanaka. Zandiana be mamono maso ny lambam-baravarana.

 

Nentin’i dadatoa nitety ireo efitra izahay, misy zavatra tantarainy isaka ny mandeha. Tsy nisy niditra tamin’ny lohako fa ny nikorisarisa tamin’ireo lalantsara vita malama tsara no nataoko. Teto amin’ity anankiray ambany rihana kosa dia nangina aho nihaino.

 

Mitaraina isa-maraina, hono, ilay zazalahy tao, nandritra ny fotoana naharitra, ary nangataka hiova efitra. Raha fintinina dia nampijalian’ny matoatoa : misy mivezivezy any an-tohatra, mamoha varavarana mihidy karetsaka avy any anatiny, manindry, manaloka, manakorontana ny fitaovam-pianarana, misisika eo am-pandriana, mamono jiro, na mandrehitra jiro ihany koa, toa mitaritarika korontam-by. Tsy nisy taitra ny mpiandraikitra fa razazalahy no nolazaina ho entin’ny zava-mahadomelina, mitana ody na nasian’ny tovovavy ody fitia, nidiran’ny devoly. Mbola tena vitsy ny atao hoe mpandroaka devoly tamin’izany, irony antsoina hoe Mpiandry ankehitriny, izay maniry toy ny holatra. Karazana tanana maro no napetraka, karazana rano voahasina no nafafy, fa tsy niova mihitsy ny toe-draharaha. Aleo hiara-matory ato mihitsy isika mianaka hoy i dadatoa. Fa i dadatoa dia mandry fehizay, razazalahy kosa mitabataba sy misarangodrangotra. Nodorana rafingotra, nafotaka ny fitadiavana fato-bolo, fa tsy mety manko, hono, raha volo fotsiny no anapahana, nampiasaina ny ravin’ambiaty, fa tsy nisy nahaovoka. Efa niha-nahia razazalahy ary nangata-dalana hiala tao amin’ny kilasimandry rehefa tsy misy vahaolana. Asa izay zavatra nentiny avy any an-tanànany tany, fa niseho, hono, ity matoatoa : taolana mifatotra rojo vy, mijoro eo an-joron-trano. Tafateny, hono, razazalahy, nanontany hoe «inona no tadiavinao amiko».

 

Natoron’i dadatoa anay hoe teto ilay izy no nijoro.

 

Nangorintsina aho satria zavatra tena nampatahotra ahy taloha ny resaka matoatoa, mpamosavy, lolo vokatra, mpangala-jaza ary ingahibesola. Dia namaly, hono, ilay izy hoe «atero any aminay aho». Efa ady varotra be vao resy lahatra ry olon-dehibe mpiandraikitra satria noheverina ho mirediredy hatrany razazalahy. Noravana ny gorodona, nohadiana ny tany, dia indro misy razana tokoa, efa taolana sisa, sy rojo vy vaventy masony teo amin’ny hitsin’ny tanany. Nisy sary izy izay, fa tsy hitako intsony ilay gazety-boky namoahana azy.

 

Tsy tadidiko ny tohiny, hoe taiza ilay «any aminay», fa nalevina ilay izy ary dia nilamina ny tanàna. Na izany aza, hono, dia nangata-tsodrano ihany razazalahy ary tsy nandrenesana tantara toy izany intsony ilay Toby.

 

Natahotahotra aho ka namikitra tsy nety nisaraka tamin’i dada mandra-pivoakanay tao amin’ilay toerana, na dia te hilalao savily mafy teo an-tokotany aza …

15:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.