Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 21 March 2017

MANDRORONA TSIRAIRAY

Tsaroako ny valinteny teo no ho eo nomen'ny anabavin-dray, raha nanontany ahy izy sao mahita trano azo hofaina. Teo Ambanidia hoy aho no nahitako soratra lehibe hoe "trano ahofa".
 
Fa nahoana aho hoy izy no avy etÿ Amboniloha aho ka halefanao eny Ambanidia!
 
Dia azoko an-tsaina nanomboka teo ny foto-pisainana mibaiko ny fitondran-tenany rehetra ...
 
Izay liana na mahay tantara dia mety hahafantatra an'izany atao hoe #Ambohitrandriananahary eny amin'ny Vohitra Alasora. Eo am-pototr'izany toerana izany ankehitriny no nofidian'ny Fiadidiana ny Commune Alasora hatao fanatobiana ny fakon'ny kaominina, sy ny fakon'Antananarivo.
 
Na inona na inona tetikasa lazaina fa ho "fampandrosoana" avy amin'ny alalan'ny fako, rehefa fako dia fako. Na dia hoe tsy tetezin-doha aza ny rano, mankaloiloy foana ny tantely azo tamin'ny vidin'amboa.
 
Fanampin'izay, satria tsy ampy izay, dia aetry sy atsingidina eny ambanin-tanàna ny Lapan'ny tanànan'Alasora!
Tsy mahafinaritra ny sofina ny maheno hoe Ankadindratombo! Iza moa Ratombo, ary he izany izy hoe Ankady.
 
Diso vanim-potoana ve aho sa mila handitra amin'ny zavatra "tsy misy dikany"? Esory amin'ny raki-bolana àry ny teny hoe Symbole. Dia zimbazimbao daholo ny hany "sisa" tavela tamin'ny tantara satria tsy efa malaza ihany koa ve ny hoe "ateraka indray" e!
 
Amin'ny anaran'ny "fandrosoana" sy ny "fahazavan-tsaina" dia samia mandrorona tsirairay. Ny isam-batan'olona, ny isan-tokantrano, ny isam-pianakaviana, ny isam-pokontany, sy ny sisa sy ny sisa.
 
Dia aza mody gaga rehefa mivadika ny gilaoby.

14:47 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: ambohitrandriananahary, alasora, fako, mandrorona | Comments (0) |  Facebook | | | |