Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 01 October 2019

TSY MAINTSY

Rahoviana ny fahatelo fa indroa izay. Tsy mety fay mihitsy. Efa valian’olona boraingona hoe « tsy maintsy ataoko io », izany hoe na faly ianao na tsy faly, na inona na inona endri-pampieritreretana ataonao. Tsy maintsy.

Toa izy irery, sa moa izy mihitsy, no andry mampijoro ny fianakaviany. Hanao fasana hilevenan’izy mianakavy, ka na ny tany hanorenana aza, tsy misy. Dia mitotototo ange, mipenimpenina, mila ho boron’ny fisolokiana. Mba teniteneno amin’izany izy fa ny havaliny anao dia hoe « izaho tsy maintsy manao ranona a, tsy maintsy vitako io ». Sady tononiny amin’ny anaranao ianao, raha tsy dia fanaony izany amin’ny andavanandro. Fanampenam-bava mahomby.

Raha toa ka hoe tsy miandry kitapo latsaka intsony ny tsy te hisasatra, tsy misahirana mamaky trano intsony, tsy mamoy torimaso alina intsony, fa ianao mihitsy no asainy mamoha varavarana azy, manome azy ny fanalahidin’ny vatan-drakitrao, amin’ny andro antoandrobenanahary vory vahoaka … Ka iny koa no mbola ataony mitobaka eo anatrehan’ny kamo be tenda ny fakampanahy, atao hoe biby fiompy tsy voaara-maso … Toy ny hoe samia mandray sy mihinana amin’ireto ianareo fa fananan’ny apostoly io … Ka raha mahatsiaro marary amin’izany izy no teneninao hoe mba fero ihany ny gaboraraka alohan’ny hanaovana fandraharahana, dia hahazo valiny mafonja ianao hoe « izaho tsy maintsy miompy » (amin’izao endriny izao).

Ny atao hoe tsy rariny dia ny fanaovana sorona ny tombontsoa iombonana ho an’ny fahafaham-pon’ny anankiray.

06:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: na tianao na tsy tianao | Comments (0) |  Facebook | | | |