Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 01 December 2019

ANTSAPAKA NY VINTANA

Tsy fantatro amin’ny toeran-kafa. Fa raha ilay toerana niasako, sy ireo fampielezam-peo sy sary aman-tsoratra vitsivitsy sendra henoko dia inoako fa mitovitovy ihany ilay fomba amam-panao. Tonon’andro, tombam-bintana, ny mety ho fiainanao androany, sy ny sisa. Izay ilay lohateny ary dia misy tokoa ny olona tena tsy mahazo toky raha tsy mandre ny « aminy ». Raha ny fahafantarako ny atao hoe « vintana », dia tsy mandeha ambongadiny. Ka ny finoana dia hery hanentana tokoa, raha faminaniana ny ho tsara no heno. Ny finoana dia lavaka hivarinana ihany koa raha sendra faminaniana ny ho ratsy no alefa any am-para hatoka vao maraina !

Izao no fanaovanay azy, ary Ingahy Tale mihitsy no nanoro azy, araka ny traikefany tamin’ireo gazety boky vahiny efa niasany. I Eliane, dia « mpandraharaha » tao amin’ity orinasan-tserasera niasako. Rehefa raharaham-pianakaviana moa ilay atao, dia sady mifofotra no mively vy ny tsirairay, satria hono tokony samy hahay manavia manavanana. Ka rehefa tsy manao asam-barotra sy asam-birao i Eliane, dia manetihety « horoscope » amin’ny karazana gazety sy boky efa lany andro, entin-dramose sy madama avy any an-tranony any. Atao anaty baoritra kely 12 in-3 izy ireny : ny Bélier hatramin’ny Poisson ; isan-tokony kosa dia samy misy ny Fitiavana sy fifandraisana, Asa sy vola, Fahasalamana.

Manao antsapaka i Eliane, ho an’ny isam-bintana, dia ireny no vakianay isan’andro ! Rehefa tsy mahita gazety hohetezana izy mivady Tale, dia afangaro toy ny mipasoka karatra ireo taratasy kely, dia vakiana indray ! Sady faly izahay no sorena, mba olon-dehibe nandia fianarana ihany, dia ampanaovina zavatra toy izao. Saingy izay moa ilay … asa. Lainga ny antsasany, fa dia nihafiana.

Koa satria tena tsy mety amin’ny toe-tsaiko, miampy antony hafa izay ahy manokana, dia nihatakataka aho fa … misy fofony tokoa ny vola.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: horoscope | Comments (0) |  Facebook | | | |

Previous 1 2 3 4 5 6 7 8