Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 12 December 2019

NY RANO, TSY TETEZIN-DOHA ...

Ho avy indray ny fety, izay miara-dalana amin’ny sakafo. Aza miavonavona manahaka ahy anaka, fa mba mahaiza miala an-kafetsena rehefa tsy te hihinana. Ny tsara indrindra, raha azo atao, dia ny manasa, toy izay asaina. Ary rehefa mikarakara sakafo, dia indro ampitaiko aminao izay nampianarin’i Neny ahy :

1-Mandehana miantsena fa aza maniraka. Ankoatra ny « didy antsy » ataon’ny irahina, dia izay mora indrindra no hoentiny ho anao, satria « mitsimbina » anao hono izy. Anana mihosim-potaka nifotetaka tamin’ny tany no hoentiny, nifangaro tamin’ny akoho amam-borona sy nodikadikain’ny rehetra teo amoron-dalana, anana efa antitra sy faran’izay be velarana sy tsy misy endrika, na mikiloadoaka toa dentelle. Hena atao hoe tsaikany no hoentiny, mihoatra kelin’ny ombin-kena namidy tamin’ny toko. Atody feno tain’akoho, haricots verts efa mila ho tsaramaso … Raha vary dimy kilao no hafarana, dia efatra ihany no ho tonga. Izay no tsy maintsy ekena, rehefa ho lava ny fanirahana, indrindra raha olona tsy voakarama no « indramina ».

2-Ampianaro ny mpahandro, na atreho ny fikarakarana, rehefa tsy ho afaka hisahana an’izany ianao. Tangosana tsirairay ny anana fa tsy manao adin’ny kamo ka atobaka hatramin’ny fakany, hatramin’ny fotaka, hatramin’ny olitra, hatramin’ny ahitra, hatramin’ny vovo-jezika. Kikisana tsara ny hodi-kisoa fa tsy hatao saosy hatramin’ny tsikoko, ny molaly nandoroana, ny taim-boraky ny labatoara. Fotsiana tsara ny vorivorin-kena fa tsy handroina hatramin’ny tain’omby tsy nivoaka sy ny faikan-kanina tsy levona. Fady ny mahandro akoho miaraka amin’ny lohany sy ny tongony misy rantsana iny. Fady ny mahandro vavan-kisoa sy vavan’omby miaraka amin’ireo nifiny miranirany, mbola tsy afaka eny toy ny ravintoto ny ahitra notsakoiny farany. Fady ny mahandro trondro tsy miala tsinay.

3-Aza mizatra manandran-tsira ka averina atoraka ao anaty vilany ny ambiny avy nihinanana. Ampianaro ny olona hampiasa fitaovana manokana fa tsy hitsabaka amin’ny sakafon’ny besinimaro, tsy hifandimby sotro na kaopy. Izay iray vatsy, iray aina, fa tsy iray mikraoba.

Ireo rehetra ireo anaka dia ohatra azo raisina avokoa, hanazavana ny hoe « ny rano tsy tetezin-doha » … rehefa ilay ianao misakafo an-koatra ny ao an-tranonao iny …

4-Farany, ho fifanajana, dia aza ampihinanina hena tsy fantatra anarana ny olona, satria hoe te hiavaka ianao na te hanao surprise ! Lazao ny olona ny karazan-tsakafo sy ny fangarony aroso ho azy. Raha ianao no mihinana saka, bibilava, ramanavy, … tsy voatery hitovy aminao ny hafa na ho faly hanandrana an’izany. Mainka moa fa hoe alika na voalavo na olitra … Raha mamahana olona amin’ny zavatra tsy eken’ny sainy ianao, dia mpamosavy no anaranao.

 

09:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |