Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 15 October 2019

MOTO TAXI, TAXI MOTO

Ny atao hoe "tenue correcte" dia fanaovana fitafiana sy ny kojakoja miaraka aminy, mifanentana amin'izay toerana sy anton-dia aleha. Raha ho eny amin'ny dobo filomanosana ka hilomano, ny atao hoe tenue correcte dia maillot de bain, sy izay tokony hiaraka aminy.

Ka ity asako andavanandro amelomako tena, dia tsy taranja fanatanjahantena ka hovitavitaina amin'ny kiraro tenisy na ballerine, na tee shirt sy pataloha jean isan'andro vaky.

Lalina ity fitohanan'ny fifamoivoizana ary eny amin'ny lalako mihitsy no tena mafotaka. Efa nitondra takaitra mihitsy ny vodin-tongotro raha niana-kendry niala an-daharana namikavika hamonjy fotoana. Efa nisy olona nanontany ahy indray mandeha hoe handeha taxi-moto. Fa niavonavonako tamim-panajana.

Ka na hatao aza hoe tena olona "marina" ireny olona ireny, tena izaho mihitsy tompokolahy sy tompokovavy no matahotra moto fadiranovana. Tsaroako ilay indray andro teny Arivonimamo. Mba falifaly ery aho fa nanolo-tena hanatitra ahy eny Antaboaka ity lehilahy mpivarotra fitaovam-panorenan-trano. Noheveriko fa ilay BMW nodiodioviny teo ity hanaterany ahy. Indrisy fa moto. Moto lehibe tokoa aloha ilay izy, fa nihoraka aho. Inona no atahoranao hoy izy fa io aza no anaterako ny zanako isan'andro! Tsy sahy niteny aho hoe "ny zanakao izany, izay ifanaovanareo any". Toy ny hoe saro-tiavina ny tena, na dia efa tena nivonona handeha an-tongotra aza, na hitaingina borety miaraka amin'ireo gonin-tsimenitra. Borety no ilazàny an'ireny sarety bory fitondrana entana ireny.

Vao niainga ity moto dia niontana ny foko. Mbola nahafehy tena ihany aho. Fa nony nahazo fidinana lavareny, dia namikitra mafy tamin'ingahy mpamily aho. Vao mainka aho nohanihaniany hoe "fa inona izany ataonao izany madama a". Ny tahotro mbola naharesy ny henatro. Tena hatenda ny aiko.

Rehefa tonga soa aman-tsara aho dia mbola nohadrohadroiny ihany hoe hasiana tour anankiray ve!!!

Tsy sahy hivoady aho hoe sady voalohany iny no farany. Satria dia mety tsy ho azoko ihodivirana ity taxi-moto rehefa handeha hamonjy asa, amin'ity ambotaiazy lavareny tsy honohonon'izay ho afaka eto an-tanàna.

00:01 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: arivonimamo, taxi moto | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 3 4 5 6 Next