Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 03 February 2019

ITSIMIHATSAKA

Itsimihatsaka, ampamarinana, éboulements 2019, malédiction,

Rehefa Itsimihatsaka no mihotsaka.
 
Ampamarinana. Famarinana. Ny anarany dia efa miteny.
 
Teo amin’io harambato hantsana be io no navarina izay « meloka ». Voaheloky ny nanana fahefana.
 
Notantaraina tamiko fa rehefa tapitra avokoa ny ain’ireo olona tsy nety nandà ny finoany, navarina teo Ampamarinana sy nodorana teny Faravohitra, dia nisy avana nitranga ka ny tongony iray nitsatoka teny Faravohitra, ny iray teo am-pototr’Ampamarinana …
 
Izaho ilay nanoratra ny tantaran’ilay mpifatotra tsy fantatra anarana tao Ambodin’Andohalo.
 
Izaho ilay tsy miteny hoe roa kilao raha tsy avy mandanja.
 
Izaho ilay tsy milaza hoe manavy raha tsy nampiasa tondrofàna.
 
Izaho dia mahafantatra fa misy siansa momba ny Tany, dia ireo izay misy GEO rehetra : géographie, géologie, géodésie, géothermie, géodynamique, géophysique, géotechnique, géotropisme, géomorphologie, géomagnétisme, sns…
 
Fa izaho dia miteny fa misy singa natao tsinontsinona talohan’ny nanorenana « fiainana » teny amin’ireny toerana mivesatra tantara ireny.

11:02 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: itsimihatsaka, ampamarinana, éboulements 2019, malédiction | Comments (0) |  Facebook | | | |