Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 18 June 2018

MBA ATAOVY MADIO ILAY LALAO

Izaho tsy tia miloka, tsy tia manao fanamby, tsy tia milalao antsapaka. Rehefa mety ho fitadiavana sitrany amin'ny kisendrasendra dia tsy tiako ary tsy ataoko. Tsy misy antony afa-tsy ny hoe tsy mety mahazo amin'ireny mihitsy aho.
 
Nivoaka avy tao amin'ity tsena anankiray tao Antananarivo aho dia nosakanan'ilay tovolahy manao dokam-barotra ho an'ny orinasam-pifandraisan-davitra iray, izay tambazotra ampiasaiko rahateo ka dia nijanona aho nihaino azy :

-Misy "lalao" ahazoana loka hoy izy ka mba mandraisa anjara.
-Tsia hoy aho fa lazao izay andrasanao amiko.
-Mividy fahana ianao hoy izy dia manodina ity kodiarana ity ka izay hijanonan'io fanjaitra io no loka homena anao.
-Raha hividy fahana no ilainao hoy aho dia hividy aho fa izaho tsy hanodina an'io.
Ambonin'izay, ankalamanjana tsara misy fanamafisam-peo ilay izy ary feno olona mitangorona mijery.
 
Tsy nahaleo ny tambezony aho dia nanodina.
-Kavia angaha ianao hoy ry zareo fa avy ato no ahodina mankany fa tsy mety izany!
-Zavatra mikatso tsy mihodina akory ny anareo hoy aho
-Ka ianao kavia fa aleo tazonina ato an-damosina fa mihetsiketsika hoy ny anankiray.
 
In'efatra naverina mandra-pijanony teo amin'ny heverin-dry zareo ho "loka" maivana indrindra : porte-clé !!!
Nihorakoraka sy nitehaka izy rehetra sy ireo vahoaka mpanotrona fa nahazo ny loka lehibe aho.
Noraisiko ilay izy dia napetrako moramora teo ambony latabatra sady niteny aho hoe "Misaotra. Dia inty fa tsy tiako!"
 
Andray, hoy ry zareo. Kilalao ange ilay izy e.
Dia mba ataovy madio àry ilay "kilalao" e.
 
Rehefa tsy madio toy ireny ny "kilalao"-nareo, dia ho naveriko foana na dia Billets Tana-Paris-Tana ho an'olon-droa aza no nitranga teo ! Tena marina izany.

09:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: filokàna, antsapaka | Comments (0) |  Facebook | | | |