Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 09 May 2018

OPERATION MENAMASO, RADAMA II, Fizaràna III

Inona moa ny Menamaso ?
 
« Tsy mena-maso olona » no nihafohy ho Menamaso. Tovolahy sakaizan-dRadama II izy ireo fony izy tsy mbola nanjaka, ary rehefa lasa Mpanjaka izy, dia nasondrony ho Mpitsara. Ministra no anaram-boninahitra nomeny azy. Mpiara-milalao, raha amin’ny fiteny ankehitriny dia mpiara-mirevy tamin-dRadama II izy ireo, tao amin’ny Trano Vato eo Ambohimitsimbina. Ny fifangaroan’ny zava-mahadomelina sy ny fiaretana torimaso ihany koa dia nahamena ny masony, ka nifangaro avokoa ny hevi-teny. Ireo no tena Mpanolo-tsaina ny Mpanjaka fa tsy noraharahainy intsony ny maintimolaly. Nisetrasetra fatratra izy ireo noho izany, ary tia vola izaitsizy ka tsy mena-mivadika ihany koa.
 
Tsy nifankahazo mihitsy noho izany ny tandapa za-toerana sy ry zareo. Teo ihany koa ny antony hoe Rainivoninahitriniony mianakavy sy ny Manamboninahitra lehibe namany ary ny Andriambaventy dia AVARADRANO. Ny Menamaso rehetra kosa dia MERINATSIMO. Andrianampoinimerina dia Mpanjakan’Avaradrano, fa mba hamalifaliana ny Imerinatsimo, dia nafindrany teo Antananarivo ny renivohi-panjakana. Fa na izany aza, dia nomeny vahana hatrany Avaradrano teo amin’ny fitondrana. Faly dia faly ny Menamaso nony nanjaka Radama II fa hoe tonga ny andron’Imerinatsimo ka dia nitetika ny hampitotongana an’Avaradrano izy.
 
Ny sabotsy 9 mai 1863 no nanomboka ny fanafihana ny Menamaso, rehefa voadinika tao an-tranon-dRasoahanta, vadikelin-dRainivoninahitriniony, eo amin’io misy ny lycée Andohalo io, hoe iza avy no hovonoina. Saika tsy nisy zaza amam-behivavy intsony Antananarivo, fa lasa nandositra ireny. Lehilahy nirongo fiadiana no nameno tanàna, izay vetivety foana dia voahidy, tsy nisy tafiditra, tsy nisy tafavoaka. Menamaso 24 sy Tsy Menamaso 8 no voalahatra hajedaka. Maro tamin’izy ireny no nolefonina teo anatrehan’ny vady aman-janany. Ireo tsy voatondro dia namonjy nilefa nankao an-Trano Vato filalaovana, nanantena fiarovan-dRadama II. Niolomay nankao tokoa Radama II, ary nanaraka azy Rabodo vadiny sy Ramoma ary Zanak’Andriana maro, nilaza fa mihamafy ny tabataba. Nampaniraka nitondra saina fotsy tany amin-dRainivoninahitriniony Radama II sy teny hoe « inona no antony namorianareo miaramila sy andraisanareo fiadiana ary andatsahanareo ra ? ». Ny valiny dia hoe « Lazao an-dRadama fa mamboatra Fanjakana izahay ». Namaly Radama hoe « iza moa no Mpanjaka ». Hoy ny valiny : « Lazao an-dRadama, fa izy no Mpanjaka ; nefa kosa, izahay andevolahy no miady, ka izay maty manaraka an-dRanavalona, ary ny sisa velona manompo an-dRadama. Ary ny amin’ireo Menamaso ireo, tsy mijanona izahay raha tsy ringanay ireo. Tsy iza tsy iza fa ireo ihany no efa nitady zava-maranitra ! Avoahy ireo hovonoinay, aza miara-mitoetra amin’ireo ianao hitaizanay Ambanilanitra anao ». Nampitondra teny indray Radama hoe « Raha ilay lalàna ny amin’ny duel no dia mahatezitra anareo loatra tahaka izao, dia foanako io ». Efa diso aoriana anefa. Niverina tany Anatirova Radama II sy ny mpiara-dia aminy, nihiboka tao, nampamahana ny tafondro sy ny basy rehetra. Indrisy fa efa tapitry Rainivoninahitriniony tao avokoa ny bala sy ny vanja. (…)
 
Nitsinjo teny an-davarangan’Imanjakamiadana Radama II, latsa-dranomaso nahita ireto vahoaka nikomy taminy. Noraofiny tamin’ny tanany havanana ny ranomasony ka nafafiny nianavaratra, ary nanozona izy hoe « raha mba Ineny koa no nahasoa ny razan’ireo Andafiavaratra ireo sy ny tenany, ka dia manao ahy tahaka izao izy, dia aza mba vanona anie ireo, ary lasanan’ny vazaha anie ity tany ity, tsy hahazoan’ireo manao izay tiany intsony mandrakizay ». Namonjy niteny anefa Rabodo nanao hoe « Andriamanjaka ianao tompokolahy, ka aza manozona, ary nahoana no ozoninao ho an’ny hafa ny tany ? ». Nampaka rano tamin’ny vera haingana Rabodo hitsofan-dRadama rano, hanatsoahany ny ozona nataony, ka dia nitso-drano tsy sazoka.
 
Kivy ny tao Anatirova mandra-paharain’ny andro. Ny fiadiana tsy misy, ny sakafo fongana, ny Rova voahodidina, ny fahavalo mitoby am-baravarana. Feno toky anefa Radama II satria hoe « mbola tsy nahafaty olona aho, ka tsy azon’olombelona vonoina ».
 
Nitomany ny sakaizany naripadripaka sy norobaina Radama II.

19:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: menamaso, radama ii | Comments (0) |  Facebook | | | |