Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 07 April 2018

TONGA TAMIN'NY BOTRY I LEKÔMA

Efa misasakalina izao, fitantarana tantara mahafinaritra toy itony …

Nisy ampahany tamin’ny fotoam-pahazazako niainako tany amin’ny faritra Androy sy Mahafaly. Ambovombe, Amboasary, Tranoroa, Antanimora, Vohitramboa, Isoanala, Ampanihy, Bekily, Betroka, Betioky … Ny atao hoe miakatra ville dia mankany Ihosy na Fort Dauphin. Rehefa toy izany, dia ao amin’ny trano izay omen’ny toeram-piasan’i Dada ihany no mitoetra (gîte d’étape). Miara-mandeha izahay rehefa toy izay.

Tao Fort Dauphin àry. Trano lehibe izay no nipetrahana. Trano mahaleo tena mifefy sy misy vavahady tsara hidy. Tao ambany rihana izahay satria mila milalao kalesy. Mpiara-miasa amin’i Dada no tao ambony, tsy nisy ankizy ry zareo. Mifanasa misakafo foana ka henoko ihany hoe misy resaka hafahafa toa ifanaovana. Tsy azoko, sady tsy mivantana amiko, ka tsy noraharahaiko.

Ny tao ambany nisy anay dia efitra iray malalaka be sady avo be mampanakoako ny feo rehetra, varavaram-be kopa-tokana, tsy nisy tena hoe varavarankely fa hirika eny ambony be, tsy misy afa-tsy makarakara vy, fidiran’ny hazavana sy ny rivodrivotra. Mitovitovy amin’Antananarivo ihany ny toetr’andro any fa tsy toy ny morontsiraka hafa fantatro. Tonga io efitra io dia mifanolotra amin’ny tokotany mitafo lehibe ihany koa, fitoeran’ny fiarakodia sy ny korontan’entana. Io somary tokotany io, tsy hoe misy tafo, fa ny efitra tao ambony no mitatao eo. Tao am-badika tao ny bassin fanasana lamba sy toeram-ponenan’ny gardien. Tao no fametrahana ny kalesy sy bisikilety. Sahirana tokoa aho misikotra an’ireo tao isa-maraina satria voatsindrin-javatra foana, ary somary avo toerana noho ny halavako. Misy olona izay koa, fianakavian’ilay gardien angamba, mibahana mipetraka ambony laona eo amin’ny lalako mihitsy. Na maraina haka kilalao aho, na hariva hanatitra, dia eo foana io, miavonavona tsy mamaly arahaba, tsy mikisaka atao azafady. Tsy azony angamba ny teniko.

Tao amin’ny efitra nitoeranay, dia tsy nisy afa-tsy latabatra sy seza fihinanana, ny fara fahakeliny fikarakarana sakafo, efitra fidiovana ary farafara lehibe anankiray tena teo ampovoan-trano mihitsy. Tsy natao hisy fianakaviana tsinona ilay izy, izahay moa mbola kely, ka niara-natory teo daholo, manaraka ny sakany. Izaho tsy maintsy maka sisiny, dia tany amin’ny hitsin’ny varavarana satria tsy tia rindrina ihany koa.

Indray alina, efa tapi-mandry izahay, taitra aho fa nisy olona nandalo teo an-dohanay. Vehivavy mitafy salovana misoratsoratra toy ny kômôriana. Mandeha miadana mamakivaky tsara ny efitra izy. Niarina kely aho nijery, izy koa mibanjina ahy sady mandeha, hitako tsara mihitsy tao anaty somambisamby ny tapotsimasony niavaka mankaty amiko. Nodoniko i Neny. Misy olona, hoy aho nibitsibitsika. Nitodika tany amin’izay nojereko izy. Toy ny hoe niditra teo amin’ny varavarana ilay olona, tany amin’ny hitsiko, nandalo nanandrify ny lohanay, dia nivoaka tany amin’ny rindrina akaikin’i Dada. Tsy nisy varavarana anefa tany ! Hitan’i Neny ve izy teo, hoy aho. Eny, hoy izy. Nosafosafoiny ny lohako, dia nitohy soa aman-tsara ny torimasoko.

Nony ampitso, anton-dresaka teo am-pisakafoana ilay tantara. Injay indray ilay teny tsy loa-body : « Izy ve izany ? ». Mba nisikotra kosa aho. Nitsatsaingoka mihitsy aho, izaho moa tsy mba natahotra olon-dehibe! Matoatoa, hono, ilay izy. Nifanitsy tsara tamin’ny famariparitako azy ny toetoetr’ilay hoe ramatoa vadin’ny gardien tao. Kômôriana tokoa ry zareo, efa maty ilay vehivavy, ary efa elabe tsy nisy gardien intsony tao amin’ilay trano … Dia nanontaniako tsara i Tsiazonera mpahandro hoe fa iza ilay olona mipetraka lalandava eo ambony laona ao am-badiky ny bassin ? Nifampijery indray ny besinimaro ary tato aoriana no fantatro fa izaho irery no nahita an’izany …

Tapitra teo ny filalaovana kalesy.

Nandritra ny fotoana maharitra dia natahotra kômôriana fadiranovana aho.

20:01 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: matoatoa, kômôriana, fort-dauphin | Comments (0) |  Facebook | | | |