Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 14 February 2018

ISAN'ANDRO ITY, ISAN'ANDRO TIA

Ho avy izao ilay andro iray ankalazana ny fitia

Miandry andro iray tokoa mba hamitahana ny fo

Mandrindra teny vaovao

Mizara angola tsy fanao

Mamelon-tsoratra tsy satry

Izay hadino tao anaty.

 

Nahoana moa ‘ty andro iray

No tsy fantatra hatrizay ?

Tsy azo atao ve ny minia

Mba ho isan’andro, tia ?

 

Tia fa vizan-davareny,

Na tia fa tsy an-kiteniteny

Dia manjary misy hoe miandry baiko faobe

Mandray aloha vao manome

 

Misy ireo mifankatia tsy mankalaza ny fitia

Mahafoy ny tsara indrindra ho an’ny tiany eo no ho eo

 

Misy ireo mifankatia, na velirano tsy natao

Tsy manao ho litania miantsoantso « tiako ianao »

Fa isan’andro, tia tokoa

Mizara izay haren’ny fo

 

Izy ireny dia manovo amin-doharano iray,

Loharanon’ny fitia, tsy mety ritra sanatria

Tsy mila teny be dia be,

Tsy miandry setriny ihany koa

Tsy misy kajy be atao hikatsahana ny soa

Izy ireny dia mizara isan’andro raha ilaina

Ilay fitiavana tsy lany efa zary fofonaina.

 

Izy ireny ilay mitia tena misy hoe satria.

 

Raha misy antony an’arivo hahafoana ny satria

Dia mbola hisy anankiray hijanonany ho tia !

 

images(51).jpeg

(Voarindra ho hira, ankasitrahana nanome aina i #Fara_RASOLONJANAHARY)

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |