Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 23 January 2018

MAMY NY MODY

Ity dia tora-po. Ato mba izay tena tia tsikilokilo sisa handany andro sy vola ato. Tsy izany fa leo be aho amin'ny fanadihadiana, sanatria toy ny atao famotorana any amin'ny fisahanana ny heloka bevava, ataon'ireto "mpampiantrano" ahy.

Izaho tsy hitantara etsy sy eroa ny fandaharam-potoanako. Lavitra be ity fodiana. Mangina be ity lalana. Lafo be ity solika ka tsy vita ny hitondra fiara iray isan'olona dia hoe niasa adiny roa tany an-tanàn-dehibe dia hiverina hody. Marina fa volamena ny fotoana. Na tsy hahavita raharaha hafa aza, azo atao ny manaran-daina mitsotsotra raha sendra tonga aloha be any an-trano.

Vao nomena toky dia sahy nivelatra, hoy ny hira ataon'i Solo Andrianasolo. "Hoe tia" no lohateniny. Hay ity izy maimaika sy milokaloka milaza hoe mandrosoa fa malalaka ny trano, mandrosoa fa tsy manelingelina, ianao angaha vahinyChâlet de fortune.jpg ... kajy, hafetsena, fitiavan-tena, fitiavan-te hifehy ny mikasika ahy rehetra. Ny ela maha-reroy, sa ny ela maha-iray roa? Tsy nidila ny taona iray dia leo ahy koa angamba izy. Satria ao aminy aho no "mandany andro" mandra-podianay. Efa miezaka aho tsy ho tonga any raha tsy efa maty masoandro. Fa fahasahiranana be ho azy na ny mivoaka mamoha vavahady ahy aza. Efa tena tsy fidiny ahy ny maniraka azy hanao ny tsenanay. Tsy misy tombony ho ahy ireny, na ny ara-bidy na ny ara-kalitao. Dia noesoriny ny saron-tavany nony ela ny ela.

Fa ianao ity ve miasa e? Avy niasa izany ianao io? Fa aiza moa ianao io no miasa?

Mba olona vory saina ihany aho, mahay manavaka ny setroka sy ny tomany. Mba olona nofo sy ra ihany aho ka mahatsapa ny atao hoe teny tsy loa-body. Mba tsikaritro ihany ny lantom-peo rehefa miova eo amin'ny hoe sangy sy ny resaka matotra. Tsy vazivazy ilay izy. Ary tsy indray mandeha. Tsy mbola maty hena aho ka hihafy amin'izany. Mifono ahiahy ny fanontaniana. Mandefa hafatra ihany koa hoe ilaozanao mirenireny, mandany ny tsy azonao, mihodina ihany koa ...

Tsy sahy nivoady aho. Nefa koa, raha tsy nisy azy aho, dia ho taiza? Tsy vao izao aho no voailika. Tsy vao izao aho no voatosika, na amin'ny endriny mivantana na amin'ny endriny miolaka. Efa hitako izany hoe voan'ny don-kiho. Tsy hiandry daka kosa aho vao hahay hitsara tena.

Fotoam-pahavaratra. Avy ny orana. Amin'ilay atao hoe mijojo. Hitako ny lalana mody, mody any aminay. Mavesatra be ny entako. Mavesatra koa ny foko. Mitambatra amin'ny ranon'orana ny ranomasoko, mijoy tsy voafafako satria feno koa ny tanako.

Mbola ho reko ve hoe nankaiza no tsy nandalo intsony? Aza mody gaga fa tsy mamo koa akory. Fanontaniana tsy homeko valiny izany satria ny teny fanevako dia hoe "sarotra ny miady amin'ny olona mangina". Hangina mihitsy aho mba tsy ho fantatrao hoe nahoana.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |