Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 22 November 2017

22 NOVEMBRE RAZAFINDRAHETY

Razafindrahety, Marie-Louise, Alger, Ranavalona III

Ny 22 novembre 1861 no teraka Razafindrahety, izany hoe 156 taona raha velona teo. Mpanjakan’i Madagasikara nitondra ny anarana Ranavalona III izy nanomboka ny 22 novembre 1883 hatramin’ny 1897. Izy no Mpanjaka farany fa lasa zanatany frantsay i Madagasikara.

Ny 23 mai 1917 izy no niamboho tao Alger.

Ny alarobia 24 septembre 1879 no natao Mariazy tao amin'ny Fiangonana Anatirova, ny Prince Ratrimoarivony, 21 taona latsaka kely, sy Razafindrahety, 18 taona latsaka roa volana. Andriambelo Mpitandrina no nanao izany. Faly Ramoma (Ranavalona II) satria zanaky Ramahatrarivo anadahiny ny Prince, ary Razafindrahety (ho lasa Ranavalona III) dia taizany tiany dia tiany.

Ny alatsinainy 7 mai 1883 dia maty ny Prince Ratrimoarivony, noho ny antony tsy dia nazava loatra.

Misy tantara milaza fa niteraka zazavavy iray Ratrimoarivony sy Razafindrahety. Tsy fantatro hoe aiza ho aiza no tsy mitombina satria i Louise Ravoninoro Ranavalozafimanjaka izay ambara fa zanany dia teraka tamin’ny 1878 tao Faravohitra, Antananarivo. Tamin’ny 17 juillet 1897 izy dia nanambady an’i  Rainizoely Andriambahoaka Ratsimihara Nanet’s Granville, prince d’Ecosse, zanaka tera-tany écossais, nataon-dRanavalona II ho Andriana (anobli).  Niteraka maro ry zareo, anisan’izany Angèle, Désiré, Georges, Johnson, Meltine, Julie ary Jules. Maty tamin’ny 1921 ilay vadiny, i Loouise kosa maty  tamin’ny 1947.

Nanana taiza zazavavy anankitelo koa Razafindrahety dia izy mirahavavy zanaky Rasendranoro rahavaviny : Rasoherina (zanak’Andrianaly) izay maty tamin’ny 1895 sy Razafinandriamanitra III (Petite fille du Bon Dieu) teraka tamin’ny 1882. Voalaza fa bevohoka-na vazaha izy io, asa na miaramila na inona, no nentina an-tsesitany, ary niteraka an’i Marie-Louise kely tany Saint-Denis de La Réunion teo amin’ny faha-15 taonany, tamin’ny 14 mars 1897 tamin’ny 9 ora alina! Maty izy afaka 8 andro taorian’izay niterahany izay, izany hoe ny 22 mars 1897.

Io Marie-Louise Razafinandriamanitra io no taiza fahatelon-dRazafindrahety. Olona samy hafa izany i Louise zaza nateraka sy i Marie-Louise zaza notezaina (zafikelin-dRasendranoro izay maty tamin’ny 9 décembre 1901 rehefa avy narary saina). Infirmière no asan’i Marie-Louise izay nantsoina hoe Loulou. Nanambady an’i André BOSSHARD, ingénieur agricole izy, ary nisara-panambadiana ry zareo nony avy eo. Tsy niteraka i Marie-Louise. Nahazo mari-boninahitra Légion d’Honneur izy tamin’ny ady lehibe faharoa 1939-1945, tamin’ny naha-infirmière azy. Vehivavy nihaingo fatratra i Loulou, nanana « fiainana » somary nisamboaravoara, nifoka sigara natao hoe Lucky Strike … Maty tamin’ny 1948 teo amin’ny faha-51 taonany tany Bazoches-sur-le-Betz (Loiret) i Loulou ary milevina ao Montreuil.

Tsara ny manamarika fa misy Marie-Louise iray hafa koa, dia i Marie-Louise Razafinkeriefo (Razafinkarefo), izay teraka tamin’ny 1897 tany amin’ny États-Unis. Ny printsesy Rasendranoro, rahavavin-dRazafindrahety dia nanana zanaka lahy natao hoe Henri Razafinkarefo. Izy io dia nanambady an’i Jennie Maria Waller, zanak’i John Lewis Waller, amerikana mainty voatendry ho consul des USA teto Madagasikara tamin’ny 1891. Tamin’ny 1894 raha nihomankomana  hanjanaka tanteraka an’i Madagasikara ny Frantsay, dia nisambotra ny rain’i Jennie izay notondroiny ho mpanao asa fitsikilovana. Fotoana fohy taorian’izay, 1895, dia novonoin’ny troupes coloniales i Henri Razafinkarefo, vadin’i Jennie, izay 15 taona, nitondra vohoka. Niala teto Madagasikara i Jennie sy ny reniny ary ireo anadahiny, nody tany Amerika ary tany Washington izy no niteraka an’ Andriamanantena Paul Razafinkarefo, na Andy Razaf, ilay mpiangaly jazz malaza. Tamin’ny taona 1897 i Jennie, dia niteraka zazavavy kely nampitondrainy anarana hoe Marie-Louise Razafinkeriefo, izany hoe anabavin’i Andy Razaf, na dia tsy zanak’i Henri Razafinkarefo intsony aza … Maty tany USA tamin’ny 1948 i Marie-Louise Razafinkeriefo.

Tohin’ny tantaran-dRazafindrahety : tamin’ny 23 septembre 1938 no noloarana ny taolambalony ary nentina namonjy ny seranan-tsambon’i Toamasina tamin’ny sambo « Ville de Reims ». Tonga teo Antananarivo tamin’ny fiaran-dalamby manokana ny tranovorona tamin’ny 30 octobre 1938.

Mbola misy taolambalo-na printsesy efatra izany any an-tsesitany any :

  • Razafinandriamanitra III zana-drahavavin-dRazafindrahety, milevina ao Saint-Denis de La Réunion
  • Ramasindrazana, nenitoan-dRazafindrahety, maty tany Nice tamin’ny 1924, ary milevina ao
  • Rasendranoro, rahavavin-dRazafindrahety, maty tao Alger teo amin’ny faha-41 taonany, ary milevina any
  • Marie-Louise Razafinandriamanitra, milevina ao Montreuil

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |