Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 16 August 2017

ETUDES ... COMPORTEMENTALES

Dia manala andro tokoa amin'itony hoe "tambazotran-tserasera"! Ara-bakiteny io raha ny amiko. Satria matoa aho eo sy miraikitra eo, dia miandry aho no dikan'izay! Miandry fotoana, miandry olona, miandry asa, miandry hafatra, miandry antso, miandry lalana halalaka, miandry torimaso, miandry e ...

Raha ny amiko, dia mora refesina ny fotoam-piandrasako, izany hoe ny fotoam-beriko. Mitovitovy fatra amin'izay fotoana ahitana ahy amin'ny "tambazotran-tserasera"!

Inona avy moa izany no fandalinana mety ho azo atao eo am-pandinihana ny fihetsiky ny olona amin'ity hairaha miroborobo ity? Toa tsy mitombina loatra ny ho tsoa-kevitra. Facebook no haingana sy akaiky indrindra. Ny lainga sy ny fitaka no betsaka. Izao manko : misy lahatsoratra sasantsasany sy sarimihetsika, izay fantatra ny isan'ny olona namaky na nijery azy (nombre de lectures, nombre de vues). Ohatra kely monja.

Lahatsoratra anankiray : tsy nisy réaction na dia j'aime iray aza; tsy nisy commentaire na smiley iray aza. Izany hoe tsy nisy nanao "combien". Nojerena ny isan'ny olona namaky azy : dimampolo mahery. Izany hoe namaky sy nijery fa tsy te hiraharaha.Tsy asiako kabary (no comment).

Faharoa, lahatsoratra ihany. Karazana réactions sy j'aime ary commentaires commentés! Tsy fakafakaina hoe hors sujet sa tsia fa naresaka ity tafasiry. Olona isan-karazany ireo fa tsy hoe fifamalian'olon-droa sy telo. Nojerena ny isan'ny namaky : telo! Izany hoe mi-j'aime zavatra tsy nojerena. Tsy asiako kabary ihany koa (sans commentaires).

Misy tsoa-kevitra azo raisina ihany, jerena amin'ny zoro hafa mihitsy ... Etudes comportementales somary mahatsikaiky.

07:12 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |