Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 12 August 2017

VAVOLOMBELONA

Biraom-panjakana fanoratana ny raharaha ifanaovan'ny samy Malagasy.

Anti-dahy enina efa mihoatra ny fitopolo taona, ankevitry ny mpiasam-panjakana fahiny, samy misatroka an-trano, manao tanana am-paosy. Mikarama izy ireo. Atao "vavolombelona", na inona na inona ilàna an'izany. 5000 ariary tsy latsaka ny sonia anankiray (aogositra 2017). Hentitra sy miavona fatratra izy ireo raha iadiam-barotra. Tsy misy antra fa na hatao, na tsy hatao.

Hoy ilay "mpiasam-panjakana" tamiko : "fa maninona no misahirana mitondra olona avy any, eto ange misy foana e".

Fomba sy fanao efa ekena kay! Tsy miafina, tsy mihafy.

Fa inona moa izany no atao hoe "vavolombelona" ? Mijoro ho vavolombelona ...

Mahatsiaro an'i #Pasitera_Rasolofoson_Samuël aho. Hoy izy tao anaty fampianarana fiainana sy katekomena : "andraikitra lehibe izany maha-vavolombelona izany. Olona fantatrao sy mahafantatra anao no ifampiraharahana amin'ny zava-dehibe eo amin'ny fiainana. Azonao antoka fa hiantoka anao tokoa. Tsy satria hoe malaza, manamanana, tsaratsara, dia hatao vavolombelon'ny mariazy na hitam-poko hitam-pirenena aza fa akoholahim-bohitra (...). [Ampiako hoe "bisikiletan'ny fivondronana"]. Olon-tsy fantatra loatra ery dia ampiantohana zaza amin'ny batisa ... "

Any am-piangonana aza izany. Ary any amin'ny biraom-panjakana iraketana ny karazana "soratra" (actes) , izay tsy maty sy tsy miova raha tsy didim-pitsarana : "vavolombelona hosoka"!

Ka tsy maintsy mizotra amin'ny vavolombelona hosoka sy sandoka mba hamatorana sy hifamatorana rehefa tsy misy fahamatorana.

Rehefa tsy afaka hitana ny teny nomena ka voatery hanao sonia etsy sy eroa, dia azo atao ny mividy vavolombelona tsy fantatra, "hiantoka" ny fanekena sy ny fanambaràna atao. Tsy miafina, tsy mihafy !

Rehefa tsy maintsy hanamarina ny diso sy handiso ny marina dia eken'ny fitsaran'ny tany ny fianianan'ny vavolombelona nohofaina.

Fitaka sy fandrika. Indrisy.

 

06:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |