Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 22 July 2017

MBOLA MITOHY NY FANORONA

 

Ity resaka safelika politika.

Ahoana no hahafantarana hoe iza no vatom-panoron'ny mpitondra fanjakana?

•mitabataba tsy mitsahatra izy na inona na inona atao. Saingy tsy tohina mihitsy.

•mandrahona sy manambana ho manana "dossiers" izy. Saingy tsy tantarainy hatramin'ny farany izany fa ampilendalendainy fotsiny.

•maka toerana afovoany miseho hoe tsy momba ny atsy na ny aroa izy, miseho ho tsy miandany afa-tsy amin'izay rariny sy hitsiny, izay izy ihany no manefy azy mialoha arakaraka izay tiany hiandaniana

•tsy itsitsiany fitenenana daholo na izay heverina ho namany aza, mainka moa fa izay "tiany hoheverina ho" fahavalo politikany

•izany fihetsiny izany dia mandamina ny sain'ny valalabemandry hoe mipetraha tsara sy mahaiza mionona fa izy efa manao ny "asa" fanoherana

•tsy misy "hetsika" ataony na avelany hatao anefa, fa vontosany hevitra hoe manara-dalàna ny olona

•na mifanojo amin'ny daty mafana aza ny lanonana ataony, dia mahazo alalana hamory olona izy, satria efa fantatra fa "namana" ka tsy hisy fihoaram-pefy

•ankasiahany sy omeny sehatra hitenenana ny olona mba hihainoany tsara sy handrefesany tsara ny mari-pana, dia hanamboarany miaraka amin'ny tandapa ny teti-panorona mba hialana na tsy hialana vela, arakaraka izay hifanarahana ...

Vakiana fotsiny e.

Indrisy ry Ambatomiantendro!

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |