Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 04 July 2017

IDENTITÉ REMARQUABLE

Mankalaza taombaovaon'Imerina ny Zanadranavalona. Tsy fantatro intsony raha efa niova ny fizaran-tany fa raha Imerina fahiny dia tsy anisany Imamo ...

Izay tafatoetra tamin'ny soatoavim-pianakaviako no hosoratako kely. Ekena fa tena tsy misy mitovy ny fomba nanabeazana, nitaizana ary nibeazan'ny tsirairay. Fa raha misy zavatra tsy mahafaty ve, dia higagana sy hitalanjonana.

Ataoko hoe izaho amin'izay manomboka eto satria efa samy naka ny volon-tany nihosinany avy.

•Manaja lehilahy aho, na iza io na iza. Na zandry na zanaka. Manaja tsy midika ho miletsy. Izaho tsy anisan'ny miady fo amin'ny fitoviana lenta. Samy hafa ny zo sy ny lenta. Misy zara asa tsy tokony hataon'ny vehivavy. Mahay mikabary aho fa tsy hanao mihitsy, raha mbola misy lehilahy tokony hanao izany, na hibadabada aza. Fa takiako kosa ny lehilahy mba ho mendrika ny toerany. Miaro fa tsy arovana, mitarika fa tsy tarihana, mamelona fa tsy velomina.

•Miarahaba olona aho fa tsy miandry harahabaina. Manao mba hilalana raha handika olona. Manao aza mahafady raha nanao hadisoana na hila raharaha. Misaotra sy mankasitraka raha avy nandray.

•Zatra manao "tompoko" na iza na iza aho. Na zandry na zanaka, na iza na iza ivelan'ny tenako.

Soatoavim-pianakaviako izany, nitaizana ahy ary zary raiki-tampisaka. Dia misy mihevitra ahy ho mihafahafa, maneso, tezitra ...

Arahaba nahatratra ny taona ry Imerina sy ny Firenena Merina. Ampahany kely amin'ny tenako. Nefa moa hoe isika toy ny ladim-boatavo ka raha fotorina dia iray ihany, toy ny molo-bilany ka iray mihodidina ihany. Nefa hoy ianareo hoe ny amberivatry tsy midina Imamo ary ny tapia tsy miakatra Imerina. Nefa hoy izaho hoe nisy fanambadiana ara-politika niaviako tao amin'ny taranaka faha-enina tao ho ao. Na fitiavana na hafetsena, mitondra ny ran'izany olona izany aho.

Arahaba ry Merina sy Imerina ...

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |