Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 02 June 2017

SEKTA, ARAKA NY FOTO-KEVITRA SY NY FOMBANY

Raha tiana hanana ny tanjany sy ny maha-izy azy ny fikambanana iray, dia tsy maintsy maneho ny fironana arahiny. Izay mampisongadina no atao fa tsy atao safobemantsina ao amin’ny zava-kinendry avokoa ny zava-drehetra mba tsy hisafotofoto ao an-tsain’ny olona jonoina : fanabeazana sa fialam-boly sa asa an-tselika sa inona. Ny eo amin’ny lafiny ara-poto-kevitra no hasiana resaka.
 
A-Sekta mivavaka
 
Maka endrika Fiangonana ny sekta mivavaka ary mampiasa ny Baiboly, saingy araka izay itiavany azy ihany. Ny Mpitarika dia mitondra anarana « pasitera » na « loholona » na « evanjelistra », etsetra na dia tsy nandalina manokana sy voahosotra araka izany akory aza. Matetika dia ampahan’olona niendaka tamin’ny Fiangonana efa ela niorenana izy ireny. Tononina any amin’ireny toerana ireny ny anaran’Andriamanitra, saingy fampianarana hafa mihitsy no atao any mba hiavahany amin’ny fiangonana mahazatra. Mbola misy an-kolafiny koa anefa ireny Sekta mivavaka ireny, dia ny mino sy ny tsy mino an’i Kristy.
  
   A1-Sekta kristiana
Milaza ho mino an’i Kristy ihany izy ireo, saingy manao fampianarana « hafa » momba an’i Kristy. Tena samy mitonon-tena ho Kristiana izy rehetra, ary samy mandrirotra ampaham-pampianarana araka izay manavanana ny lohandohan’ny mpisorona ao aminy avy ireo. Lohahevitra maro mpitrandraka ny amin’ny Sabata, ny Batisa, ny fifadian-kanina, ny fahafatesana, ny bokin’i Daniela sy ny Apokalypsy. Ny itoviany dia samy « mitsara » ny fivavahana kristiana hafa fa izy ihany ary izy irery no « tena izy ».
 
Isan’ny malaza amin’ny sekta kristiana ny Eglise Universelle du Royaume de Dieu (EURD), naorina tera-tany breziliana ary ambaran’ny fanjakana frantsay fa mamoa-doza any aminy. Efa niroborobo teto Madagasikara izy io ary nakaton’ny Fanjakana vao tsy ela. Eo koa ny Eglise de Jésus-Christ des Saints des derniers jours (mormons) izay mbola mijoro tsara eto amintsika na dia maro aza ny resaka mandeha mikasika ny fitondran-tena ao anatiny. (5)
 
   A2-Sekta tsy kristiana
Sekta mivavaka koa ireo, mampiasa baiboly, mitory teny, saingy tena tsy manaiky an’i Jesoa ho Andriamanitra mihitsy. Ho azy ireo dia mpaminany tsotra ihany i Jesoa, anjely hoy ny sasany. Misy olona niendaka tamin’ny fikambanana kristiana ihany koa ny nanorina azy ireny. Ny Vavolombelon’i Jehovah no tena malaza amin’izany. Tsy manaiky ny Trinite Masina izy ireo. Antikristy satria hoy i Jesoa hoe izay tsy momba ahy dia manohitra ahy. Ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesoa dia tsy mba avy amin’Andriamanitra, ary izany dia fanahin’ny antikristy. (I Jao. 4 : 2-3). Nisara-tsaina ny amin’i Jesoa ny olona (Jao.7 : 43). Toy ny sekta rehetra, dia mitompo teny fantatra ho manana ny fahamarinana rehetra koa ny sekta tsy kristiana.
 
B-Sekta miorina amin’ny filozofia samihafa
Tsy ny ara-pinoana ihany no ampiasàna ny teny « sekta » fa misy koa ary maro tsy ampoizina akory ny sekta manana foto-kevitra hafa mihitsy. Vondron’olona mihidy toy ny sekta rehetra ireo. Saingy tsy ny ara-pivavahana no nakàny aingam-panahy hanorenana ny fampianarany, fa mivoy filôzôfia hafa araka ny mba eritreritra sy nofinofin’ny mpanorina azy.
 
   B1-Ireo mitondra anara-mamitaka
Mety mampiasa ny baiboly ihany ireo satria ny fandrangarangàna an’io dia fintana tena mahomby tokoa. Saingy tsy amin’ny maha-tenin’Andriamanitra azy, fa amin’ny maha-boky loharanon-tahirin-kevitra azy ihany. Vakiana ny baiboly mba hotsikeraina sy hotoherina ary hitadiavana porofo fa tsy mitombina. Mazàna dia fikambanan’olona mihevi-tena ho manan-tsaina noho ny besinimaro izy ireo, te hisongadina ary maniry hanatsara ny fiainany amin’ny fandrantoana fahalalana sy fahatakaran-javatra bebe kokoa, avy amin’ny alalan’ny « firahalahiany ». Santionany amin’ireny ny « Sciences chrétiennes », ny « Rose-Croix ». Tsy manaiky an’i Kristy ho Andriamanitra, na dia misalotra anarana « chrétienne » sy mampiasa ny teny « croix » aza.
 
Misy kosa dia mitondra anarana hafa dia hafa mihitsy, tsy mamofona finoana fa mandrangaranga « fampandrosoana » ka dia roboka ny olona, indrindra fa ireo tanora. Ahoana moa no hanampoizana fa sekta ny « Association culturelle ALPHA », « Centre de développement humain », « Centre de documentation et de contact pour la prévention du cancer », « Mouvement humaniste », sy ny sisa ? Maro no mihevitra fa hetsika ara-kolontsaina no atao, fialam-boly, fanitaram-pahalalana. Sodoka sy revo, kanjo anarana natao hisarihana ihany ireny fa hay sekta ilay nidirana.
 
   B2-Ireo efa miharihary amin’ny anarany sy ny fisehony
Tsy vitsy koa ireo sekta izay tsy miafina mihitsy fa na ny anarany aza dia efa mampatahotra sy hafahafa. An-jatony maro izy ireny eran-tany. Santionany amin’izany ny « Eglise philosophique luciférienne », « Le suicide des rives », « Le Club des surhommes », « Ecole de la préparation de l’évacuation extra-terrestre », « Ordre du Graal ardent ». Misy ny olona lasan’ny sekta noho ny fitaka sy ny fanararaotana, fa tsy vitsy koa ny minia miditra amin’ny sekta amin’izao, noho ny maha-sekta an’io fikambanana io fotsiny : mba maniry sehatra ahafahana miavaka sy misongadina satria « mpikambana » amin’ny fikambanana izao na izao, izay tsy iraisana amin’ny olona manodidina ny tena. Tato anatin’ny taona roa izao, dia mikarakara hetsika sy fihaonana amin’ny toeram-pandraisam-bahiny malaza eto Antananarivo ny ao amin’ny « mouvement raélien » izay milaza sy te hampita fa misy fifandraisana amin’ny olombelona ny « extra-terrestres » (6) : loharano nipoirana ary mbola ho avy haka antsika.
 
Tsy vitsy ny tanora mankafy ny ngadon-kira « hard rock » noho ny fitiavana ny tarika aostraliana AC /DC izay heverina sy lazaina fa avy amin’ny fanafohezan-teny fampiasa amin’ny elektronika sy elektrisite (alternating current / direct current). Tsy inona no tena dikany fa Anti-Christ, Death to Christ (antikristy, matesa i Kristy). Raha miteny hoe Rock, dia toa mozika no resahina, saingy manana fomba fiseho manokana ny olona ao anatin’io tontolo io : ny sarin’ny tandrok’i Satana atao amin’ny ankihibe sy ankihikelin-tanana no marika fifamantarana, sary karandoha sy biby mahatahotra no sora-damba ankafizina izay anjakan’ny mainty, korontan-javamaneno midradradradra no atao hoe « kanto ».
 
Berthile RAVELONANAHARY
in SEKTA, NY PAIKADINY SY NY AMPINGAKO
Andiany SAHY, 2008, SEHATRA TEOLOJIKA HO AN’NY LAIKA (SETELA)
FACULTE DE THEOLOGIE FJKM, AMBATONAKANGA

20:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: sekta, karazana sekta, berthile ravelonanahary, setela | Comments (0) |  Facebook | | | |