Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 06 October 2017

IANAO

J'adore écrire, et j'ose dire sans fausse modestie que je maîtrise la rédaction, aussi bien dans son aspect administratif que "artistique" et "distractif" et "informatif" ...

J'écris sur tout et sur tous. Sauf, des poèmes d'amour. Je n'y arrive pas. Comment qualifieriez-vous ce qui suit? C'est en malagasy, mais bon. La traduction est bienvenue !

 

 

IANAO

Tsy vera sy tavoahangy,
Tsy zava-mamy ihany,
Tsy hehy sy sangisangy
Hoe fady ny tomany,
Ka iny ianao no leo
Rehefa ireo no tsy eo.

Io ianao, mizara
Ny ratsy sy ny tsara,
Ny am-poko tsy miteny
Dia takatrao ireny.
Tsy vaky ny taraina
Fa azonao an-tsaina.

Inona ny havana?
Teren'ny ra iraisana,
Mbola mitantavana
Sy mampitondra faisana.
Voafehin'ny "satria"
Ka modimody tia.

Inona ny vady?
Ilay silaka fanahy,
Nafatotry ny voady,
Ilay tanana mitahy
Nanaovana sonia
Ho vonan'ny fitia.

Inona ny namana?
Mihoatra izay, ianao
Fa olo-manavanana,
Akaiky tsotra izao,
Mahay mandray tokoa
Ny resaky ny fo.

Dia inona àry ianao?
Tsy misy ianao ireo,
Tsy misy iantsoako anao,
Tsy aloka, tsy feo,
Fa isan'ireo vitsy
Hoe tena Izaho mihitsy !

10:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: ianao, namana, izaho | Comments (0) |  Facebook | | | |