Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 28 October 2017

MAHAY MIASA

matihanina,professionnel

Inona moa no tena niavian'ny hoe "matihanina" (sa matianina) ?

Ny tarehy no an-dRahiratra fa ny vintana an-dRatsitamoraina. Misy koa ny atao hoe vintam-boka. Hoy aho hoe rehefa mba tongatonga fahatany amin'ny toerana iray, dia mba miezaha mianatra ho mendrika an'ilay seza sy ilay anaram-boninahitra. Saingy indrisy fa raha nanana "hambo" ilay olona, dia tsy ho nanaiky akory hapetrapetra-poana sy hipetrapetra-poana ary hibitabitaka amin'ny zava-tsy hay. Raha nisy koa ny saina nety nahay, dia hafa kokoa ny fisehoan-javatra.

Matetika dia tsy tafaraka ny fandria-mafana sy ny valala manatody, ary betsaka ihany no mety hahay mahandro raha nanan-tsira.

Indray taona efa ela be, hividy kojakojam-pianarana teo amin'ireo pavillons teo Analakely. Hadino re ity lisitra! Dia hoy ilay tovolahy mpivarotra : "fa inona ilay izy?". Tena lisitra be fa hadino hoy aho ka aleo amin'ny manaraka. "Fa aiza ilay sekoly?", hoy indray izy. Namaly ihany aho na dia somary gaga aza ... "Kilasy inona?", hoy ihany izy. Dia iny nisy classeur navoakany, feno listes fournitures scolaires an'ny sekoly maromaro, isaka ny kilasy ! "Inona avy no efa azo?", hoy hatrany izy.

Mahay ny asany ilay tovolahy!

Hoy ny olona hoe manao humour noir aho raha miteny hoe mahay koa ireo mpivarotra lamban-drazana sy voninkazo ary corbillard eo ivelan'ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona! Efa eo ihany ny voninkazo, dia eo koa ireo mpandravaka isan-tsokajiny, manana katalaogy mihitsy, ary eo dia tsy marina velively ny hoe arakara-tarehy, voa-javatra! Fa tena tsara ny zava-bitan-dry zareo.

Hainy ny asany.

Farany, misy katalogy nalaina tamin'ny internet eny amin'ny mpivarotra lamba eny Ambodin'Isotry. Mpivady kely izay no hitako niandohan'izany.

Mahay izy.

Hoy i pasitera Rafaralahimbola hoe "ary ianao, mba ahoana?"

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: matihanina, professionnel | Comments (0) |  Facebook | | | |