Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 22 September 2017

155 TAONA LASA, FIARAHA-MONINA (TSY) NISY RAORAO

Ny talata 23 septembre 1862 no niseho tamin'ny Ambanilanitra teny Imahamasina RADAMA II (Rakotosehenondradama).
 
Tsy mbola nisy fisehoam-Mpanjaka nanetriketrika toy ity teto Madagasikara, natrehan'ny Fanjakana mahery indrindra any Europe, dia France sy Angleterre. Roa andro mialoha dia efa velona ny harendrina, na ny fandroana ihany aza no fanaovana an'i zany. Tsy nisy teny nidina avy amin'ny Fanjakana, fa noho ny haravoan'ny Ambanilanitra dia rakotra afo izay rehetra tazan'ny maso, na taiza na taiza eran'Imerina.
 
Toy izao ny cortège-n'ny Mpanjaka :
 
-hatrany am-bavahadin'ny Rova ka hatreny Imahamasina, ny arabe nolalovan'ny Mpanjaka dia nisy miaramila nilahatra tamin'ny andaniny roa, novolena akondro, isaka ny 50 refy dia notsatohana saina lehibe sady avo, fotsy sy mena, misy soratra R.R.II (Radama Rex II).
 
-eny aloha indrindra, lanjaina sy mitaingin-tsoavaly, ny Zanakandriana, ny Manamboninahitra lehibe, ny Andriambaventy, ny Menamaso
 
-manarakaraka, ny Miaramila sy ny Mpiambina Andriana, mitondra lefona volafotsy makadiry
 
-eo alohan'ny Mpanjaka ny mozisiana, ary miparitaka manodidina azy ny Tsimandoa sy ny Mpiantsa, mirebika sy mihira
 
-eo ampovoan'ireo ny Mpanjaka mivady. Rabodo no eo aloha. Mitaingina filanjana volamena misy lambany jaky mena. Vehivavy lava, bikàna sy tsara tarehy izy. Satin fotsy ny akanjony, ary manao kapôty vilory ran'ombalahy, misatroka fitorantsana volamena. Fatratra ny firavaka.
 
-Radama kosa nanao fanamian'ny Maréchal Anglais, kapôty ran'ombalahy tanora, voaravaka amboradara volamena, mielo mena makadiry, mitaingina poney arabo. Rabejofo sy Andriamarovony no mitana ny lamboridin-tsoavaly. Manodidina an-dRadama ny vazaha maro sakaizany
 
-manotrona avy ao aoriany ny Ambasadaoro Français sy Anglais ary ireo Manamboninahitra mpanara-dia
 
Ny hobin'izay nolalovana dia hoe "Tsara Andriana izahay!"
Ny Vatomasina teo ampovoan'Imahamasina dia nohodidinina lampihazo makadiry, nasiana eloelo jaky mena. Teo andrefana ny tohatra. Teo anilan'ny tohatra ny Mpivavaka :
 
-teo atsimony ny protestanta marobe notarihan'ny Rév.William ELLIS, délégué de la L.M.S. , sy ireo misionery vao tonga
 
-teo avaratra ny katolika : olon-dehibe vitsivitsy tarihana Mompera 6 sy ankizy tokony ho 40 tarihana Masera
 
-teo andrefan'ny katolika ny Mpitahiry sampy. 13 ny sampy.
 
Izay nanatrika teny Imahamasina dia tsy ho nahay nino fa ao anatin'ny valo volana io Radama io dia nataon'ny mpanompony tadimody amin'ny salaka landy ...
 
in Daty Malaza
(Rabary, Mpitandrina)

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: radama ii, reconnaissance internationale | Comments (0) |  Facebook | | | |