Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 14 February 2016

INONA IHANY E

Hifanaraka ve isika fa hotononina amin'ny anarany ny zavatra? Izaho ange sahy. Fa mandratra hoe. Mandratra sofina, mandratra fo.
 
Raha hihodinkodina indray, toa tsy misy mahazo. Efa tokony hihomehy, mbola misy mivandravandra ihany!

Efa fampahatsiarovan-tena, mbola misy mivanìka ihany!
 
Fa rehefa apetraka tsara eo amin'ny toerany ny teboka ambonin'ny zanatsoratra "i", amin'ny feo milamina sy mazava ary averina in-telo, dia azony ihany.
 
Na izay izy vao miseho ho mahazo. Ary tezitra.
 
Tsy faly izy fa notononina tamin'ny anarany ny zavatra!
 
Tsy tokony noventesina mahitsy taminy hoe "saka". Fa tokony najanona tamin'ny hoe "biby mampinono rakotra volovolo malefaka, misy tongony efatra sy rambo, ..."

Izy nihevitra fa "amboa" no tiana holazaina. Kanjo rehefa hoe"saka" ilay izy, dia "piso" no metimety aminy!
 
Fa tezitra ho'aho izy! Ka inona ihany izany fa vizana be aho.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: vantanina | Comments (0) |  Facebook | | | |